Antananarivo : ambony ny maripana, maloto ny rivotra

Miakatrabe mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripana farany ambony eto amin’ny faritra Analamanga tao anatin’ny roa andro, fa rahampitso vao hidina izany, vokatry ny rotsakorana hiseho. Eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 34°C ny maripana ambony indrindra ary 35°C any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tsy misy latsaky ny 30°C ny maripana izany ho an’ny distrika mandrafitra ny faritra Analamanga. Ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona izao ary mbola mahatsapa hatsiaka ny vao maraina sy amin’ny alina raha manevokevoka ny atoandro.
Momba ny kalitaon’ny rivotra kosa, nahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, nanomboka ny alahady lasa teo, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Manantombo avo telo heny hatramin’ny enina heny raha oharina amin’ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy no jerena, vinavinaina hijanona ambony amin’ny ankapobeny ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ka mila mitandrina ny olona rehetra, indrindra fa ireo olona marefo

Vonjy

Partager sur: