Nanangana EPP 5 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny Fondation Axian sy ny Telma Madagasikara. Tanjona ny hanohizana ny fanohanana ny fanabeazana ho an’ireo zaza malagasy eto amin’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa “Sekoly Telma” no nahafahana nanangana izany. Nisitraka io fotodrafitrasa io ny mpianatra maherin’ny 750, monina any amin’ny faritra mitoka-monina any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Nokendrena manokana ireo olona sahirana ara-pivelomana sy ireo faritra mitoka-monina.
Nahitana fahasimbana lehibe nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai tamin’ny taona 2022 ireo sekoly ambaratonga voalohany (EPP) 5 tany amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Tsy afaka nianatra ny ankamaroan’ireo mpianatra vokatr’izany. “Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka nahafahana nanao ny asa. Afaka niverina nianatra soa aman-tsara izy ireo, taorian’ny fahavitana ny asa. Ankoatra izay, nohamafisina ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mponina marefo any ambanivohitra. Mba hampiroboroboana ny maha olona sy hanohanana ny fampandrosoana eto Madagasikara”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Axian Foundation. Nisy ny fiaraha-miasa teo
amin’ny fikambanana “Actions et Résilience” nahafahana nanatanteraka izany.
Mino




