Mois : octobre 2023

Fitsinjovana ny tontolo iainana : azon’ny Ravinala Airports ny loka ACI Afrika

Orinasa mitantana seranam-piaramanidina voalohany aty Afrika, nahazo ny loka iraisam-pirenena ACI “Africa En­vironment and Sustainable Development Awards” ho an’ ny taona 2023. Tanteraka izany vokatry ny asa nataony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be. Anisan’ny singa sy fepetra takina ahazoana ity loka ity ny lafiny fitsinjovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa tafakatra 3 300 Ar ny kilaon’ny vary ma­ka­lioka, nanomboka tamin’ity herinandro ity teto an-drenivohitra. Misy mihitsy aza ireo mpaninjara mivarotra 1 000 Ar ny iray kapoaka, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Milaza izy ireo fa mahatonga izany ny fiakaran’ny vidiny ataon’ny mpanangom-bokatra, satria misy ny mpandraharaha mahavita […]

Harena an-kibon’ny tany : manaraka akaiky ny japonais

Natao ny 16 oktobra teo ny atrikasa mahakasika ny fanadihadiana amin’ny lafiny tontolo iainana amin’ny fomba niomerika, iarahana amin’ny teknisiana japonais ao anatin’ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, Jica. Ao anatin’izany ny fitsinjovana ny fikajiana ny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny hijerena ny […]

SIH 2023 : hisongadina ny fanorenan-trano mitsinjo ny tontolo iainana

Nisokatra omaly, eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH). Hampiavaka amin’ity andiany faha-25 ity ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Maherin’ny 120 ny mpandray anjara eny amin’ny SIH 2023, ahitana ireo mpisehatra samihafa amin’ny lafiny fanorenana, indrindra ny trano fonenana, toy ny mpamokatra akora fototra, ny mpamatsy kojakoja, ny orinasa matihanina […]

Tetikasa Fiovana : hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana

Mifototra amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny tetikasa “Fiovana” izay va­tsian’ny USAID Madagasikara ary tanterahin’ny Adra. To­kantrano 71 476 no kendrena amin’izany. Tamin’ity volana oktobra ity, mpikambana 120 avy amin’ireo vondron’ny anaka amin-dreny (M2M) napetraky ny tetikasa “Fiovana” eny amin’ireo fiarahamonina iasany no nahazo fiofanana momba […]