Mois : octobre 2023

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Riva sy ny sanganasany

Manana ilay talenta mihazona ny mpamaky hanjohy hatramin’ny farany izay i Riva… Misongadina amin’ny fahaizany milalao ny teny, mamoaka ny aingam-panahiny ihany koa. Riva Ando Andriamalala, fantatry ny maro amin’ny sonia Riva. Mpanoratra, poeta tsy zoviana amin’ny tontolon’ny literatiora izy. I Riva indray no nosafidiana hampahafantarina anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, […]

Atrikasa vaky boky: hitondra ny traikefany i Arikaomisa Randria

Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipalin’ny boroborintany fahatelo, eny Antaninandro, ny atrikasa momba ny boky, karakarain’ny Kaominaina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’ny alalan’ny DACVC, ao anatin’ny hetsika « Ca­ravan’iles 2023 ». Arikaomisa Randria no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ity anio ity. Hitondra ny haikantony sy hanome fahalalana ireo ankizy mahakasika ny haikanto […]

Fampivelarana ny teny malagasy: hisy ny fifaninanana « Soratonon’2023 »

Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, tsy tapaka fa mitohy ireo hetsika ho fampivelarana sy ho fano­me­zana aina ny teny malagasy. Hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orien­tales (Inalco) 65 Rue des Grands Moulins, 75013, Pa­ris, ilay fifaninanana « Sora­tonon’2023 ». Hozaraina sokajy roa […]

Fahendrena sy soatoavina: tsy manan-katolotra intsony ny Malagasy ?

« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny ohabolana malagasy. Eo amin’ny lamina voajanahary indray: “izay ananana ihany no omena”. Nisy nitazona ary ve ny fahendrena malagasy? Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra. Ny tanora, manivaiva raiamandreny. Ny olon-dehibe, tsy mifanome hasina, sns. Ka izay ananany ihany ange no omeny […]

SOMBIM-BAOVAO

Basikety N1A. Niady tanteraka ny lalao nifanandrinan’ny TGBC Betsiboka sy ny SBC Vakinankaratra, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana nasionaly N1A, sokajy lehilahy. Isa 69 no ho 67 no nahazoan’ny TGBC ny fandresena. Nahazo fandresena ihany koa ny GNBC Analamanga sy Ascut Atsinanana. Hotanterahina eto Antananarivo manomboka ny 30 oktobra – […]