Mois : octobre 2023

« Championnat National Scolaire » : misongadina ny CEG Mahabibo U-15

Notanterahina nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, teny Mahamasina, ny fifaninanana « Championnat Na­tional Scolaire », taranja baolina kitra. Ireo mpianatra eny anivon’ny CEG no mandray anjara amin’izany. Nandritra ity andro voalohany ity, ny ekipan’ny CEG Maha­bibo no hita fa misongadina amin’ity fifaninanana ity. Nahazo fandresena roa izy ireo. Lavon’izy ireo […]

Reharehan’i Madagasikara: fahombiazana no azon’ny Cosfa tao anatin’ny 40 taona

Maro amin’ireo atleta avolenta sy manana ny lazany no nivoaka avy ao amin’ny klioban’ny Foloalindahy, raha ny tantaran’ny fanatanjahantena maneran-tany. Tsy latsa-danja amin’izany ny Cosfa satria sady efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara in’efatra nisesy, efa tompondakan’i Afrika sy teo anivon’ny ranomasimbe Indianina koa. Maro ireo anaram-boninahitra efa nisalorany. Anisan’ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena hatrany ny […]

Barea de Madagascar : Aleo izay mendrika no ho voafantina

Mbola any ivelany amin’izao fotoana, ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manam­pisoa Alfred, sy ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô). Any Frantsa izy mirahalahy mianaka, mitety ireo klioba ka mijery sy mifantina ireo mpilalao manana ra malagasy na tena Malagasy 100 isan-jato, izy ireo ka […]

“Mondial Rugby 2023”: norombahan’ny Springboks Afrika Atsimo ny amboara

Lavo ny All Blacks Nouvelle-Zélande, nalain’i Afrika Atsimo ny amboara faninefany amin’ny “Mondial Rugby 2023”. Tsy niova tanana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby, fa lasan’i Afrika Atsimo izany, ny sabotsy lasa teo, tany France. Lavon’izy ireo tamin’ny isa tery, 12 no ho 11 i Nouvelle Zé­lande, nandritra ny famaranana notontosaina tao amin’ny Stade France. Raha hiverenana […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Camp Nou, ny “El Classico 2023” any Espagne. Lavon’ny Real Madrid, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny FC Barcelone. Baolina tafiditr’i Bellingham, mpilalao Real Madrid no nitondra fandresena ho an’ireo Madri­lenina. Eo amin’ny laharana voalohany, araka izany, ny Real Madrid. Lavon’ilay […]