Mois : octobre 2023

Fifidianana filoham-pirenena: «Kandidà tanora no vahaolana», hoy ny FIF

Amin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, vonona hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana (FIF). Ny 16 novambra ho avy izao, hotanterahina eto Ma­dagasikara ny fifidianana izay ho filoham-pirenena.“Kandidà tanora no vahaolana” hoy ny ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana, miaraka amin’ny ben’ny Tanàna na ny FIF. Izay ivondronan’ny boriborintany […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana. CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara […]

Pr Hasiniatsy Rodrigue: azo sorohina ny homamiadan’ny nono

Mifarana ny volana natokana hoenti-miady amin’ny homamiadan’ny nono. Mizara ny traikefany sy ny fomba tso­tsotra azo hisorohana izany ny profesora Hasiniatsy Ro­drigue. Ity farany izay filohan’ny fikambanan’ny mpitsabon’ny aretina homamiadana eto Madagasikara (Arom). Misy ireo tranga mampitombo ny fahazoana ny aretina saingy azo sorohina. Zava-dehibe ny fanaovana fanatanjahantena 30 minitra […]

Fahaiza-mitarika: hofantenana ireo mpikam- bana ao amin’ny AWLN

Hisy ny fifantenana ireo mpikambana ho ao amin’ny tambajotran’ny vehivavy afrikanina mpitarika eto Madagasikara (AWLN). Manao tan-tsoroka amin’izany ny UNFPA sy ny birao mpanatanteraka vonjimaika izany tambajotra izany. Manentana ireo andriambavilanitra afaka handray anjara amin’ny fifantenana ireo mpikambana ireo ny UNFPA. Anisan’ny masontsivana ny fahafenoan’ny taona (miohatra ny 21 taona). […]

Fitaterana amin’ny taksiborosy : mila hajaina ny haavon’ny entana, 80 cm

Hentitra ny ATT amin’ny fampiharan-dalàna mahakasika ny fanajana ny bokin’andraikitra. Mila hajaina ny haavon’ny entana 80 cm ambony tafona taksiborosy hampihenana ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana. Nampahatsiahy ny An­tokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa tsy azo atao ny mitondra entana miohatra ny 80 cm ny haavony eo ambony tafon’ny fiara. Ambony […]