Mois : octobre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Rayan Raveloson, Malagasy mpilalao baolina kitra. Naneho fihetsika mendrika ity Malagasy milalao ao amin’ny Barea de Madagascar ity. Namangy an’ilay ramatoa mpankafy iray izay nankalaza ny faha-98 taonany izy, notolorany fanamiana mitondra ny anarany ity ramatoa ity. Marihina fa mpilalaon’ny Auxerre France Raveloson. Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, ny le […]

Kitra – Barea de Madagascar: tsy ho any Marôc i Kenji Van Boto sy i Trebel

Nisokatra ny 9 oktobra lasa teo ny “Fenêtre-FIFA”, anisan’ireo hiatrika an’izany ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar. Nanainga omaly tola­kandro, nihazo an’i Marôc, ny Barea de Madagascar, hiatrika ireo lalao firahalahiana roa, hifanandrinana amin’i Bénin sy i Mauritanie. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy ny 17 oktobra ho avy izao, tafiditra […]

« Takarivan-kolontsaina »: hanamarika ny faha-15 taonany ny Haihaingo

Hiavaka tsy tahaka ny fahita hatramin’izay ! Haihaingo, orinasa mitrandraka sy misahana ny tontolon’ny haingo amin’ny ankapobeny. Iray amin’ ireo manasongadina sy manome lanja ny kolontsaina malagasy ihany koa. Fantatra fa hanamarika ny faha-15 taona nijoroana amin’ny alalan’ny hetsika « Takarivan-kolontsaina » hotanterahina ao amin’ny Salle Sainte Bathilde, 43 Avenue de Plessis, 92290 […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fampirantiana « Voyage en pays bara et vezo ». Saripika miisa 101, sanganasan’i Jacques Faublée no haranty eny amin’ny Mozean’ny sary, nanomboka ny 7 oktobra lasa teo. Manodidina ny fahaterahana, famorana, fanambadiana, fahafatesana, fananganana ho razana, sns, ireto sary haranty ireto. Manasongadina ny fitoviana misy eo amin’ny foko bara sy […]