Mois : octobre 2023

INDRAY MIJERY

Misy atrikasa fanofanana ireo mpisehatra nanomboka omaly hatramin’ny zoma, ho fanehoana ny fotoke­vitra fototra, ny rafim-pandaminana, ary ny andraikitry ny mpisehatra samihafa amin’ny fampiharana ny « Validation des acquis de l’expérience (VAE) », Manohana ny Teti­kasa « Jeune Malgache Compétente au Travail (JMCT) ». Hisy orana tandrifin-drahona arahin-kotroka amin’ ny afovoantany sy ny morontsiraky […]

TRANO MORA : maro ireo nisitraka, nomen’ny fanjakana

Tontosa tamin’ity herinandro ity ny fisarihana ny fahazoana ny trano mora any Nosy-Be sy any Morondava. Natao tao anatin’ny mangarahara ary natrehin’ny vadintany avokoa izany. Niara-dalana amin’izany koa ny fametra­hana ny vatofototra ho amin’ ny fanorenana ny “Immeuble mora” ao Tsararivotra, Nosy-Be. Manaraka ny fenitra sy ny kalitao ireo trano […]

Administratera sivily: “Mila mifampidinika isika…”

“Tsy maintsy miroso amin’ny fanelanelanana isika raha tsy te hifamono”, hoy ny mpitondra tenin’ny Vondron’ny administratera sivily, Ratolojanahary Maharavo, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mijoro hamaly ny antson’ny FFKM izy ireo, mahatsapa fa tsy afa-miala amin’ny olana eto amin’ny firenena. “Tandindomin-doza ny firenena ary ny ain’olombelona sy ny […]

CHU Anjanamasina : 1 000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina

«Zontsika ny hanana saina salama». Io no lohahevitra noraisina amin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina, omaly. “Araka ny fanadihadian’ ny Sampandraha­rahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), amin’ny taona 2030, ho lasa olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny fikoronta­nana ara-tsaina sy ny aretin-tsaina ka mila fandraisana an-tanana”, […]

Jardin miniature : singa ara-javakanto japoney hanehoana ny an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra

Misafidy ny hame­traka sy hanamboatra karazana zaridaina hafa­kely (jardin minia­ture) ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. Niainga avy amin’ ny zavakanto japoney ny niatombohan’ny fanamboarana azy. “Manonofy mahita dobokely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra maro samihafa eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny jardin […]