Mois : octobre 2023

Anisha Jo: hiara-hiasa amin’ny Sony Music

Dingana iray lehibe ho an’i Anisha Jo. Nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity mpanakanto voalohany tamin’ny “Star Academy” farany ity fa hiara-hiasa amin’ny Sony Music izy. Tsy ny mpanakanto rehetra akory no alain’ity trano mpamokatra mozika iraisam-pirenena ity hiara-hiasa aminy, fa ireo izay heveriny ho tena misongadina ka afaka mivarotra […]

Famakiana boky : vitsy ny liana amin’ireo misy voka-pikarohana

Nihena ny lanjan’ny famakiana boky, tato ho ato, noho ny fivoaran’ny teknolojia, izay manamora ny fiainan’ny olona, eny hatramin’ny fanaovana fikarohana. Anisan’ny loharano ahafahana manovo fahalalana ny vaky boky. Etsy andaniny, mihena ny mpa­maky ireo boky mirakitra voka-pikarohana sy fanadihadiana. Etsy ankilany, nahitana fiakarany ny tahan’ny mpanjifa sy mpamaky ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 4 798 Ar ny euro iray amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny andro vitsy, tsy mitsaha-mitontongana ny lanjan’ny ariary. Mitarazoka ihany koa ny fiainan’ny Malagasy miaina anaty fitaintainana lalandava noho ny fiainam-pirenena sy ny fitadiavana isan’andro. Miankina amin’ny toekarena avokoa ny fandrosoan’ny zava-drehetra. Manahy amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sahady ny ankamaroan’ny […]

Salon international de l’habitat : hampiroborobo ny mpiantsehatra amin’ny taotrano

Hampahafantatra ny rehetra manodidina ny trano, ny vokatra ataony ary ny mampiavaka ny mpiantsehatra isan-karazany ny “Salon international de l’habitat. Hisy ny fihenam-bidy mandritra izany. Vonona na ireo mpandray anjara na ireo mpikarakara ny hetsika “Salon international de l’habitat”, (SIH) izay hatao eny amin’ny Parc des expos, Forello Tan­jombato, ny […]

Atsimo Atsinanana sy Fitovinany : trano fanodinana kafe sy tohodrano

Natolotra ny 5 oktobra teo ny trano fanango­nana sady fanodinana kafe any amin’ny kaominina Vohitrambo, Disstrikan’i Fara­fangana faritra Atsimo Atsi­nanana. Nanolotra izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny talen’ny Kabinetra Rasoanaivo Jocelyn, ny go­vernoran’Atsimo Atsinanana, ny Dr. Mahafaky Justin, ny fi­tantanam-paritra (DRAE) ary olo-manan-kaja maro. Tsara ny […]