Mois : octobre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady 15 oktobra izao ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivo­hitra, taranja karate, araka ny fampahafantarana natao ny faran’ny herinandro teo. Hatao avy hatrany aorian’io ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga, eo amin’ity taranja ity. Efa nisokatra omaly, ny « Fenêtre FIFA ». Ani­san’ireo hiatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena amin’izany i Madagasikara. […]

Volley ball-FMVB : homena lanja ny taninketsa

Hiditra iray volana amin’ity herinandro ity ny nitsanganan’ny federasiona malagasin’ny volley-ball, tarihin-dRaharima­lala Lea, filoha vaovao, hitantana mandritra ny 4 taona manaraka. Nambaran’ity filohan’ny federasiona ity, fa efa manomboka tsikelikely amin’ny fampandrosoana ny taranja volley-ball, ny FMVB. Efa nambarany hatrany am-piandohana fa homena vahana ny taninketsa satria mila jerena dieny izao […]

Kitra: milalao ao amin’ny ekipa “6ème division” frantsay Rakool

Mandalo eto an-tanindrazana Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalao baolina kitra tao amin’ny Barea “Chan”. Nambarany fa tsy any amin’ny Olympique de Marseille izy fa ao amin’ny Athletic Club Arlesien, (régionale 1) Frantsa. Gazety Taratra (*) : Rakool, tena milalao baolina any Frantsa tokoa ve ianao ? Koloina R (-) : Ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Re­gional […]

INDRAY MIJERY

Ny hafanana mihoapampana no misongadina ato anatin’ny telo andro ho avy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Mila mailo ireo mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina. Mety hahatratra 2,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Maintirano hatrany Morondava ary […]

Vohoka aloha loatra : antony faharoa mamono ny zatovovavy

Araka ny fanazavan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana, antony faharoa miteraka ny fahafatesan’ny tovovavy 15-19 taona ny fahasarotana mandritra ny vohoka sy ny fiterahana maneran-tany. Eto Madaga­sikara, mahatratra 29,60% ny tahan’ny fitondrana vohoka aloha loatra, taorian’ny fanadihadiana MICS 2018. Efa nidina ho 27 % izany amin’izao ary tsapa fa […]