Mois : octobre 2023

Sombim-baovao

Losc Lille, klioba baolina kitra D1 any France. Anisan’ireo klioba hanatrika ny fifantenana farany, izay hatao eto Antananarivo, ny 27 novambra -2 desambra ho avy izao. Abdenord Belkaci, mpitily ofisialin’ny Losc Lille mihitsy no ho avy eto amintsika. Marihina fa hetsika «  Baolina kitra mahatafita », tetikasan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora […]

Kitra – D2 Nasionaly : hanomboka anio ny “Poule des As”

Hotanterahina manomboka anio, ao amin’ny kianjan’i Bari­ka­dimy Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana « Poule des As » D2 Na­sionaly, taranja baolina kitra. Lalao roa no handeha any an-toerana. Hifanandrina voalohany amin’izany ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana. Ny fihaonan’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro ny faharoa. […]

« Cosafa women’s cup »: vonona hidona amin’ i Eswatini ny Barea

Hiditra an-tsehatra, anio alarobia, ny Barea de Madagas­car, sokajy vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika na ny “Cosafa women’s cup 2023”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Lucas Moripe, Afrika Atsimo, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eto Madagasikara. Hidona voalohany amin’ny Barea, ry zareo Eswatini […]

Tenisy – “ITF World tour junior”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mirija sy i Tefy

Manohy ny lalany i Mirija sy i Tefy, eo amin’ny fiadiana ny “ITF World tour Junior”, taranja tenisy. Tafita amin’ny dingana manasa-dalana eo amin’ny olon-tokana lehilahy, izy rehefa nandresy ilay Indianina, tamin’ny seta 2 no ho 0. Nitohy omaly talata, teny amin’ny kianja COT Ila­fy, ny fifaninanana hiadiana ny “ITF […]

INDRAY MIJERY

Nampiofana momba ny fampianarana mifanaraka amin’ny lentam-pahaizan’ny mpianatra ireo mpampiofana. Ny lehiben’ny Zone d’administration pédagogique (Zap) sy ny mpampianatra eo anivon’ny Cisco Manakara, Dren Fitovinany, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra telo andro, izany. Nozaraina taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra nivoaka avy amin’ny Ecole normale supérieure 67, nandritra ny […]