Anisan’ny fandaharam-potoana efa zary raikitra ho an’ny mpitia bagasy ny «Atrikefa». Ho an’ity volana oktobra ity, hotanterahina ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola izany ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hivelatra be ny fihaonana satria halalaka ny fizarana sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny […]
Mois : octobre 2023
Feno 100 taona: navoaka ho boky ny « Hiram-bavaka » sanganasan’i Rado
Mpanoratra tononkalo… Nisy tamin’ireny no navadiny ho tononkira. Feno 100 taona i Rado. Navoaka, omaly, ilay boky mirakitra ireo hiram-bavaka nosoratany. Andriamanantena Georges na i Rado. Mpanakanto feno. Iray amin’ireo talenta maro ananany ny fanoratana. Nisy tamin’ireny tononkalo nosoratany ireny no navadiny ho tononkira. Anisan’izany ny «Aza avela hahalala», «Mba […]
Raokandro malagasy: fanafody nampiasain’ny Ntaolo, mbola tsy lefy laza hatramin’izao
Fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry ny raokandro malagasy. Nampiasain’ny Ntaolo ho fanafody nanasitranana ireo aretina maro samihafa teo anivon’ny fiarahamonina ny singa azo avy aminy. Toy ny raviny, ny fakany, ny tahony ary ny vovony. “Fantatry ny Ntaolo avokoa ny zavamaniry azo ampiasaina sy ny aretina sitrany, araka ny fandinihana lalina sy traikefa nifampita am-bava na an-tsoratra”, hoy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanentana ny rehetra hanangana sainam-pirenena ny Vondron’ireo kandidà. Natao hanehoana ny fiandrianam-pirenena sy tsy hanekena ny hitondran’ny olona, tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy izany. “Hanafahana ny firenena eo ambany ziogan’ny mpitondra vahiny…”, hoy izy ireo. Manameloka ny herisetra nandritra ny hetsika tetsy Analakely ny IDC-CDI. Anisan’izany ny fanimbana ny fiaran’ny […]
Antso avo avy amin’ny FFKM: “Aleo halalaka ny fanehoan-kevitra”
Nanao fanambarana, manoloana ny tranga amin’izao fotoana izao, ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra. Nambaran’ireo filoham-piangonana manoloana izao savorovoro sy fifampihantsiana isan-karazany izao fa ahina hipaka hatramin’ny famoizana aina sy faharavana fananana izany. Nanterin’izy ireo ny antso avo hifampiresahana toy ny efa natao […]




