Mois : octobre 2023

Seces sampana Antananarivo : manameloka ny endri-pandrahonana

Araka ny tapaka tamin’ny fivoriambe, ny alatsinainy lasa teo, mitohy hatrany ny tolona fitakiana ataon’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sampana Antananarivo. Ny fivoriambe ihany no mandray ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny tolona fitakiana ny zo sy ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, araka ny sata mifehy ny Se­ces. Nohamafisin’ny fanambarana nataon’ny […]

Fampihenana ny loza : hisy fanentanana any an-tsekoly

Tahaka ny isan-taona, misy ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza. Fiaraha-miasan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) miaraka amin’ny Sampana mitantana ny fifehezana ny hamehana (CPGU). Misy ny hetsika isan-karazany karakarain’izy ireo ary mandray anjara amin’izany avokoa ireo mpisehatra amin’ny […]

Vokatry ny savorovoro : “Lasa sorona hatrany ny asanay”, hoy ireo mpivarotra

Miantraika mivantana amin’ny fitadiavanay ity hetsika miteraka savorovoro ity, hoy ireo mpivarotra eny Ambohijatovo sy Analakely hatreny Soarano, omaly. Tsy maintsy mangorona entana raha vao ma­nom­boka ny korontana ary manidy ny tsena sy ma­monjy fodiana. Ny alatsinainy, afaka niasa ihany izy ireo ha­tramin’ny 11 ora maraina. Raha vao ni­poaka ny […]

TARATRY ny KANTO

«18ème MFF». Tanterahina manomboka ny 30 oktobra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy any Antsanitia Mahajanga, ny «Madagascourt Film Festival» andiany faha 18. Hetsika lehibe eo amin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika izy ity. Tanjona ny hanandratana izany, indrindra ireo Malagasy mpanatontosa. «Initiation à l’Orchestre». Mitohy rahampitso, eny amin’ny ANAC […]

« Prix Jeunes Ecritures 2023 » : azon’Andriantsitoherinteny Ariella

Azon’Andriantsitoherinteny Aradrariny Ariella, na Kaira Futur, ny amboara “Prix du Jury”, nandritra ny “Prix Jeu­nes Ecritures 2023”, nokarakarain’ny Agence universitaire de la Francophonie (AUF). Fifaninanana natokana ho an’ny mpianatra aty amin’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Tanjon’ny AUF ny hampaherezana ny tanora amin’ny fanaovana asa soratra amin’ny […]