Mois : octobre 2023

Fiarahana mamoafady

Samy manao izay mahafalifaly ny fony, ara-bakiteny, ireto mpanao politika. Andaniny, mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tsy mankasitraka ilay rafi-pifidianana. Ankilany, manohy ny adiny sy ny lamina anatiny ny kandidà vonona ny hifaninana. Tsy hita fa izay ilay demokrasia ara-bakiteny aminy! Demokrasia misavorovoro anatin’ny fahasamihafana fa manaja ny hodidina maha […]

Kandidà Andry Rajoelina : tafapetraka ny IRMAR

Vonona ny handeha hatramin’ny farany ny kandida laharana fahatelo, Andry Rajoelina. “Tsy misy hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy izy. “Ankehitriny, raha kandidà aho: tsy misy olona na andian’olona na vondron’olona hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy ny kandidà n° 3, Rajoelina Andry, tamin’ireo mpanohana azy teny amin’ny […]

TSELATRA

Fiara sprinter iray nitsoraka tao ambany tetezana teny Soavina, Atsimondrano, afakomaly alina. Nidoboka tampoka ny fiara, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nivadika ka ny kodiarana no lasa ambony. Navoaka ireo mpandeha ary nentina notsaboina teny anivon’ny CSBII. Maty voatifitra ny jiolahy namaky fiara an’ny ma­namboninahitra teny Fiadanana, afakomaly alina. […]

Toamasina : miaramila frantsay matin’ny moto

Maty tsy tra-drano teo amin’ny boulevard Ratsimilaho Toamasina, ny sabotsy teo, i Stewart, 45 taona, teratany malagasy saingy miaramila frantsay miasa sy monina any frantsa. Tonga manao fialantsasatra miaraka amin’ny fianakaviany efa ho volana vitsivitsy ity miaramila frantsay ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Ny talata 26 septambra 2023 hariva […]