Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny fampisehoana « Hiverina » niarahana tamin’i Nate Tex. Fotoana ihany koa nanehoana ampahibemaso, voalohany, ny rakitsarin’ny hira « Hiverina ». Tonga maro nanotrona sy nankafy izany ireo mpankafy Nate Tex. Mbola tsy very tokoa ny fitiavan’ny mpankafy azy, na dia fotoana lavalava aza no […]
Mois : octobre 2023
“Antsam-panahy Hiram-bavaka”: nanamarihana ny faha-100 taona nahaterahan-dRado
Niray fo, niara-nahatsiaro, niara-niantsa, ary niara-nankafy ny haikanto navelan’i Georges Andriamanantena na i Rado, ny taranany sy ny mpankafy haikanto malagasy. 15 taona aty aorian’ny nahafatesany, mitoetra hatrany ny zava-bitany. Feno 100 taona omaly ny nahaterahan’Andriamanantena Georges, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Rado”. Nisy ny hetsika “Antsam-panahy Hiram-bavaka”, natao […]
FANTINA sy FINTINA
Aoka izay ny fambolena olana fa efa reraka sy sahirana ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filoha mpiara-mitantana ny Avi, eo anivon’ny vondrona Armada, Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Miantso ny Malagasy hifidy izy, fa zo izany. Efa dimy taona izay ny olona no nieritreritra hoe hisy fifidianana […]
Vondron’ny kandidà sy ireo depiote: “Aoka ho sahy sy hijoro hiaro ny marina isika”
Nanao fanambarana ny vondron’ireo kandidà, notronin’ireo depiote sy loholona ary olom-boafidy, halina. Nambaran’izy ireo fa efa nisy ny antso sy famakiana bantsilana manoloana ny fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana. Anisan’izany ny fitanilana eo amin’ny fampiharana ny lalàna. Ny antso avo tamin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny tsy tokony hanekena ny […]
Kandidà Andry Rajoelina: niantso ny Foloalindahy hiaro ny fiandrianam-pirenena
Nanao fanambarana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa tsy azo ekena ny krizy politika ka tsy maintsy mijoro ny tenany sy ireo mpomba azy. “Tsy ekena hiverina sy hovolena eto amin’ny firenena ny krizy”, hoy ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina, halina, nandritra ny fanambarana […]




