Mois : octobre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Niainga teto an-tanindrazana omaly, ny delegasiona miisa 30 ho any Afrika Atsimo, hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup”. Miisa 23 ireo vehivavy mpilalao mandrafitra ny Barea. Tsiahivina fa hatao any Afrika Atsimo ny 4 – 15 oktobra ny fifaninanana. Anatin’ny Vondrona “A” misy an’i Afrika Atsimo, Eswatini, Malawi ny vehivavy Barea. […]

Karate : nankalaza ny iray taona nitsanganany ny FKM

Feno iray taona, omaly 1 oktobra 2023, ny nitsanganan’ny Federasion’ny karate-do malagasy, tarihan’ny Shihan Ratefinanahary Emile. Nisy ny fanamarihana izany, teny amin’ny kianja Barea Ma­hamasina, niarahana tamin’ny fianakaviamben’ny taranja karate. Nambaran’ny filohan’ny FKM fa nisy ny fanamby napetraka ka tratra izany ankehitriny, mbola vonona hiezaka hanatratra ny tanjona ny federasiona, […]

Rugby – XXL Energy Top 20 : Rava tsy lera ny fihaonan’ny Cosfa sy ny 3FB

Tsy tontosa hatramin’ny farany ny manasa-dalana faharoa, niadina ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Energy Top 20”, taranja rugby. Fihaonana nikatrohan’ny Cosfa sy ny ekipan’ny 3FB. Niato teo amin’ny minitra faha-52 ny lalaon’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FB (Fahasalamana), nandritra ny ankatoky ny famaranana faharoa, niadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby. […]

« Slam national 14 » : tompondakan’i Madagasikara i Santa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny lanonam-pamaranana ny “Slam national 14”. Notanterahina nandritra izany koa ny dingana famaran’ny fifaninanana nasionaly teo amin’ity taranja iray ity. Santa, mpiangaly “Slam poèsie” avy any Antsirabe no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara, rehefa avy ni­faninana tamin’ireo mpandray anjara niisa fito. […]

TARATRY ny KANTO

Madajazzcar. Hanokatra ny « Festival Interna­tional Madajazzcar », ny 5 oktobra 2023, eny amin’ny IFM Analakely, ny tarika « Festen » sy 4/4. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona amin’ity andiany faha-34, amin’ny “Festival International Madajazzcar”, ity ny hampifangaroana ny mpiangaly Jazz, tanora sy efa ela niangaliana. “Diary nofy”. Miditra amin’ny andiany faharoa ny “Diary […]