Mois : octobre 2023

Lemaka voatondraka, Beboka: hamoka-bary 6 300 t fanampiny isan-taona

Paikady mampitombo ny famokarana ny fanamboarana sy fanarenana lemaka. Tombanana hitombo hatrany amin’ny 6 300 t isan-taona ny voka-bary azo ao amin’ny lemaka voatondraka, Beboka. Misesisesy ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa hampiroboroboana ny famokarana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madaga­si­­kara. Ankehitriny, vita ny 94% amin’ny tohodrano Be­bo­ka ao amin’ny distrikan’ Antsa­lova, faritra […]

Raheriharijaona Regina Clarisse: sarotra ny fahazoana ny Palais de sport Mahamasina

Nisy fahatarana ny fanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, noho ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy farany teo. Hotanterahina any An­tsiranana ny 13 oktobra ho avy izao izany. “Sarotra ny fahazoana ny Palais de sport etsy Mahamasina satria efa samy mangataka izany avokoa ny rehetra mikasa ny hampiasa, enim-bolana mialoha”, hoy ny filohan’ny […]

Mollos Park: foibe fikotranana sy fialana voly

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady, eny Ampandrana andrefana ny Mollos Park, toerana fikotranana sy fialamboly eto an-drenivohitra. Tsy mitovy amin’ireo rehetra efa misy, noho izy tsy anaty efitrano fa amin’ny kianja malalaka voahodidina zava-boahary sy azon-drivotra tsara. Maro karazana ny azo hanatanjaham-batana ao, toy ny fanabokonana hozatra, ny fakàna […]

Lalao fanomanan’ny Fifa : mpanazatra vonjy maika ny Barea ny Coach Rôrô

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Hiatriaka lalao ara-pirahalahiana roa anatin’ny varavarakelin’ny Fifa, ny 9 – 17 oktobra ho avy izao, any Marôc, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no hitondra vonjy maika ny ekipam-pirenena […]

Judo-Tompondaka maneran-tany : vonona ny Malagasy solontena

Hanomboka ny 4 oktobra izao, any Portugal, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Efa vonona tanteraka ny Malagasy solontena, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja karate, sokajy Juniors. Judokas 3 mianadahy no tokony hisolotena an’i […]