Rija Rajaonah : « Mila hajaina ny safidim-bahoaka »

“Mila hajaina ny safidim-bahoaka”, hoy i Rija Rajaonah, anisan’ny mpitarika ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRK) ao Avaradrano, omaly. Manoloana ny fivoahan’ny voka-pifidianana anio, tsy ilaina intsony ny fanoherana mifototra amin’ny fitadiavan-tseza. “Ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fari-piainan’ny Malagasy mpiara-belona no imasoana izao”, hoy izy. Raha ny tarehimarika navoakan’ny Ceni farany izay maneho ny fitarihan’ny kandidà laharana fahatelo, tsy hisy intsony ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana, araka ny fanamafisany. Etsy ankilany, nanamafy ity lohandohan’ny mpisoron’ny IRK ao Avaradrano ity fa ilaina ny hery fanoherana raha manaja ny etika. “Tsy ilaina kosa ny fanoherana mifototra amin’ny lainga sy ny tsaho satria manakorontana ny mpiara-belona”, hoy hatrany ny nambarany.

Tsiferana R.

Partager sur: