Aléas Circus: nitolagaga ny mpijery nandritra ny seho

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tra­nomboky monisipaly Anala­kely, ny fampisehoana voalohany, natolotry ny Aléas Circus, ho an’ny vahoakan’ Anta­nanarivo. Karazana tanisa sy tsingeringerina (acrobatie) no tena nampiavaka ny seho. Manan-talenta ary tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany tokoa raha ireto tarika ireto. Anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanazarana ny mpiangaly ity karazana haikanto ity miantsehatra, ankoatra ny fampiroboroboana izany miaraka amin’ny haikanto ma­lagasy. Hitohy ny alarobia izao, eny amin’ny zaridainan’ Anosy, ity hetsika ity.
Hakingana, fahaiza-manao matihanina, herijika sy tanjaka. Ireo no nentin’ny tarika Aléas Circus nanomezana fahafaham-po ny mpijery tonga teny amin’ny Tranom­boky monisipaly nandritra ny seho nataon’izy ireo. Taratra ny hoavin’ity haikanto ity, raha ny eto Madagasikara manokana, noho ny fahitana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana eo anivon’ny Aléas Circus, na dia mbola tanora aza.
Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra anefa izany, mba hanatrarana ny tanjona iombonana amin’ny fampiroboroboana ny haikanto, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Voalohany amin’izany ny fanabeazana ny vahoaka araka ny haikanto. Manaraka izany ny firosoana eo amin’ny mahamatihanina ho an’ny mpiangaly izany haikanto izany, ary farany ny fiaraha-miasa amin’ireo ivontoeran’ny kolontsaina sy tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Lin

Partager sur: