Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, ny sabotsy teo, ny eo anivon’ny Ceni. Nibata ny fandresena tamin’izany ny kandidà Andry Rajoelina.
Mahatratra 2 856 090 ny vato azon’ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, manome ny taha 58,95%, araka ny voka-pifidianana filohan’ny Repoblika navoakan’ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly. Manaraka, ny kandidà lah. 13, Randrianasoloniaiko Siteny, nahazo vato 694 453 na 14,40%. Fahatelo, ny kandidà lah. 5, Ravalomanana Marc, nahazo vato 586 273 na 12,10%. “Nahatratra 46,36% ny taham-pahavitrihan’ny olompirenena nifidy, raha 48,09 % tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa 2018”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A.. Nisy fihenana 1,73% izany. Mety nahatonga an’izany ny fisalasalana na tahotra korontana. Tao ny nandairan’ny vaovao tsy marina: tsy manara-dalàna ny fifidianana, misy biraom-pifidianana matoatoa, misy ny fitanana an-tsoratra (PV) efa feno sy voasonia mialoha, mitanila ny Ceni sy ny HCC hampandany kandidà iray…
Misy fitomboana kosa ny isan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ny 16 novambra lasa teo, mitaha amin’ny fihodinana faharoa 2018. Miisa 5 119 492 ny tonga nifidy teo, raha
4 767 697 tamin’ny taona 2018. Nitombo 351 795 izany ny isan’ny mpifidy farany teo. Nahatratra 127 145 ny vato fotsy, 147 583 ny vato maty. Nitombo izany mitaha amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa 2018. Entin’ny mpifidy maneho ny heviny ny vato fotsy fa tsy misy mety aminy ireo kandidà, na fahakiviana amin’ny rivotra politika, na fitakiana fanatsarana fari-piainana… Tsy fahafehezana ny fomba fifidianana avy amin’ny mpifidy na mpanisa vato kosa ny vato maty. Mila fanarenana…
R. Nd.




