Raha resaka gitara, indrindra ny tendry gasy, tsy azo dinganina ny anarany. Lasa nanampy isa ireo kintan’ny mozika malagasy any amin’ny mandrakizay ihany koa Rakotomavo Germain, mpitendry tao amin’ny tarika Ny Antsaly.
Vaovao ratsy ho an’ny fiankaviamben’ny zavakanto. Nodimandry ny alahady teo, teo amin’ny faha-69 taonany Rakotomavo Germain, rehefa avy nolazoin’ny aretina nandritra ny fotoana naharitra. Mpitendry gitara tao amin’ny tarika ny Antsaly, niaraka tamin-dRandafison Sylvestre izy nanomboka ny taona 1988. Efa nitety firenena maro nampahafantarany ny mozika malagasy avy eto afovoantany. “Gitara-valiha” hoy ny filazan’ny maro ny fitendriny, satria tena nampiavaka indrindra azy ny fanenjehan’ny feon’ny toritenany sy ny marovany amin’ny gitara. Nampita hafatra hatrany tamin’ireo mpanakanto nifanaresera taminy izy nialoha izany fa “ny aina tsy mifametra”, kanefa nanan-ko zaraina maro mahakasika ny tontolon’ny gitara sy ny tendry gasy ihany koa ity raiamandreny ity. Soa fa maro no efa nahita soa taminy, nampitainy fahalalana ary manohy mampiaina ny tendry gasy amin’izao fotoana izao.
Nandalina, nampiaina ary nampita ny tendry gasy an-gitara Rakomavo Germain. Efa nitondrany famelabelarana teo anatrehan’ny Akademia Malagasy, Sokajy I (Teny – haisoratra –hairaha) izany, ny alakamisy 23 jona 1988. “Ny gitara tendry gasy” ny lohahevitra, izay nadikan-dramatoa Lalaosoa Caniguy-Ratsimba tamin’ny teny frantsay ary navoakan’ny Oniversiten’i La Réunion ao amn’ny Revio “Kabaro-2002 pp 147-153”. “Ny antony ? 100 taona tamin’io fotoana io no nidiran’ny gitara teto Madagasikara. Vanim-potoana lehibe izany mba hanehoantsika fa nanana izay namolahantsika sy nitendrentsika an’io zavamaneno io isika Malagasy”, hoy ny ranty nataon-dRakotomavo Germain, fahavelony.
Maro ireo fahalalana narahina tantara nozarain-dRakotomavo Germain. Anisan’ireo faramparany nataony ireo feon-kira tranainy, toa ny “Imiangaly no manina”, “Ny fifaliana ry lahy”, “Tao anatin’ Imamo”, “Manjakamiadana”, sns. Ankoatra ny fomba fitendry, nozarainy ihany koa ny tantara izay fantany mahakasika ireny.
Fantatra fa handrasana eny amin’ny Espace Heninkaja Betsizaraina Ambohimangakely, ny nofo mangatsiakany. Hapetraka eny amin’ny fasan-drazany eny Fonenana Imerintsiatosika kosa, ny alarobia izao.
Zo ny Aina




