Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambohitsimeloka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’ antoka telo samihafa. Ny Wednesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Ankorondrano izany. Nahafahana […]
Mois : novembre 2023
Raiamandreny ara-drazana : “Avelao hisafidy malalaka ny vahoaka”
Nijoro ny fikambanamben’ireo olobe sy raiamandreny ara-drazana ary nitondra ny heviny. Nambaran’izy ireo fa efa mipetraka ny maha firenena Repoblikanina ka miroso amin’ny fifidianana. Efa ireo ny kandidà ka tokony hajaina ny vahoaka. “Aleo hifidy malalaka ny hitondra azy ny vahoaka. Misy ny safidy ka izahay kosa manara-dia ny filoha […]
Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”
Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]
Mesupres-INSTN-AIEA: nanasongadina ny lentan’ny nokleary ireo tanora malagasy
Nankasitrahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ireo tanora 3 mianadahy nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana, nandritra ny fivoriambe andiany faha-67, ny “Agence internationale de l’énergie atomique” tany Vienne Autruche. Anisan’izany Andriamparany Koloina Valisoa , Ialinomenjanahary Radonasolo Rodier , Rakotondrasoa Mahenintsoa Stelly , samy taona faha-4 ao […]
Miora sy Ny Aina: avo lenta ny rindrambaiko noforonina ho an’ny orinasa
Rakotonjanahary Miora Irinah, 21 taona sy Rakotondramanana Ny Aina Manankaja, 20 taona, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny ISPM no nisalotra ny diplaoma Licence, nahazo ny mention Très bien izy ireo rehefa nahazo ny naoty 19,70/20. Mahakasika ny informatika sy fifandraisana, sokajy elektronika, rafitra informatika….no nanaovan’izy ireo fanohanana ny voka-pikarohany. Natao […]




