“Aleo handeha ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard. Hafahafa raha herinandro alohan’ny fifidianana no mbola hifampidinika. Firenena iza no hanaiky hoe mbola hatao lavabe ny fitondrana nefa efa tapitra fe-potoam-piasana ny filoha teo aloha ary efa mandeha ny fifidianana? Hatolotry ny vovonana mpanelanelana […]
Mois : novembre 2023
Kandidà Andry Rajoelina : «Tsy mila korontana isika fa fifidianana ihany»
Nitohy tany amin’ny faritra Analanjirofo ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ izany ny any Soanierana Ivongo sy Vavatenina ka namaliany ny fitakian’ny sasany. “Maro ireo mpanenjika ary milaza fa hanao Tetezamita sy hiresaka… Isika tsy mila korontana intsony. Ndao hifidy avokoa isika amin’ny 16 novambra ary ho lany […]
Tsy misy ny lafatra
Mampihoron-koditra ny amban’ny hetsika politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana anio, indrindra ny eto an-drenivohitra. Andaniny, mitombo an-dalana ny vondrona sy olona mitaky ny hanemorana ny fifidianana. Azo lazaina fa nivadika tanteraka tamin’ny namany sy ny mpiara-mitolona taminy ireo milaza fa raiamandreny eto amin’ny firenena. Niala lavitra ny […]
Fivondronamben’ny Eveka : «Avelao haneho ny heviny amin’ny fifidianana ny vahoaka»
Nanao fanambarana miompana amin’ny hoe “Inona àry no hataonay?” ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ao anatin’ny fivoriany ny 7 hatramin’ny 14 novambra izao. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny momba ny fifidianana. “Avelao haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny ankalalahana sy araka ny lalàna velona amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka”, hoy ny […]
Karieran’Ikalamavony : olona telo maty tototry ny tany
Olona telo indray tototry ny tany tao Antsahan’i Kamavo ao Mandarano, fokontany Mananatanana, kaominina sy distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Kariera efa tsy misy miasa intsony no niasan’ireto olona niharam-boina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikalamavony. Fito lahy izy ireo no niasa nitrandraka vato antsoina hoe «ziricon» sy « spocumen » teo amin’ity toeram-pitrandrahana vato sarobidy ity, ny 8 novambra […]




