Mois : novembre 2023

Kitra – « Ligue des Champions »: hanala vela amin’ny Paris Saint Germain ny AC Milan

Hotanterahina rahampitso ny andro fahefatra, fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2024». Ani­san’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay, sy ny AC Milan, ekipa Italianina, ao amin’ny sokajy «F». Hotonto­saina ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie, […]

Fivoriamben’ny FIM Afrika: Afa-po tamin’ny fandraisana ny vahiny

Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Afa-po tanteraka tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme (FMaM) ireo vahiny. Raha ny vaovao voaray, miisa 20 ireo firenena tonga nanatrika ny fivoriana tany an-toerana. Anisan’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Afrika Atsimo, Zimbabwé, Côte […]

“World Jiu-Jitsu Championship” : tesy teo amin’ny ampahefa- dalana i Nofy

Andro voalohany ho an’ny ekipa malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi, ny sabotsy lasa teo. Ny andriambavilanitra, i Nofy, no nisantatra izany, teo amin’ny sokajy Jeunes, vehivavy, tepana maitso. Niady mafy i Nofy saingy nihintsana tamin’ny ady voalohany natrehany, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Niondrika nanoloana […]

Sombim-baovao

Afaka 11 andro, hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Hanao ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra, izy ireo amin’izany. Ny ekipa nasionaly, Black Star, Ghana no hifanandrina amin’izy ireo, ny 17 novambra ho avy izao, any Ghana. Aorian’io, […]

Atletisma – «Mondial en salle»: handefa solontena 1 ny federasiona

Hotanterahina any Glasgow Angleterre, ny 1 ka hatramin’ny 3 marsa 2024, ny andiany faha-19 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny atletisma anaty efitrano «Indoor championship». Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fede­rasiona malagasin’ny atletisma, ny faran’ny herinandro teo, handefa solontena amin’izany i Madagasikara. Iray amin’i Sidonie Fiadanantsoa sy i Claudine […]