Mois : novembre 2023

FANTINA sy FINTINA

“Tsy nitondra antsika ho aiza ny korontana sy ny ady”, hoy Ratsiraka Sophie, avy amin’ny Ratsirakista, omaly. Nanteriny fa efa hita ny voka-dratsin’ireo tranga niseho rehetra teo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny isam-batan’olona. Tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana ny hetsika fidinana an-dalambe etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka […]

Hetsi-bahoaka : tsy atao sorona intsony ny renivohitr’ i Madagasikara

Hetsika roa samy hafa no hisy eto an-drenivohitra, anio. Andaniny, ny mpanao propagandy. Ankilany, ireo hanao amboletra hiditra ny kianjan’ny 13 mey. Na inona fitakiana, tsy tokony hatao sorona An­tananarivo. Manoloana izany, nisy ny fampiantsoan’ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra an’ireo mpanolotsain’ ny Tanàna, omaly. Tapaka tamin’izany ny fandraisana […]

Miandry mahazo

  Inona no havoakan’ny anio? Hafahafa ny ambana! Misary mampatahotra sy mampihoron-koditra izany. Samy miziriziry haneho ny heriny, iretsy milaza fa tsy mila fifidianana sy ny efa manao fampielezan-kevitra. Ny andaniny efa iraha-mahalala fa tsy miraharaha fitondram-panjakana mijoro sy ny lalàna fa manao izay danin’ny kibony. Ny ankilany mampibaribary ny […]

Filohan’ny Ceni, Dama Arsène : “Ento ny porofo handraisana fepetra fa aza manasoketa”

Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe sy tsikera momba azy ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama fa efa vonona amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Notsiahiviny fa anisan’ny efa vita ny famaranana ny lisi-pifidianana ka maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy. Efa tonga ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasim-pifidianana. […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ilay lehilahy nanolana ankizivavy 5 taona tao amin’ny fokontany Ankosy, kaominina Merimanandroso, distrikan’Ambohidratrimo, ny fa­ran’ny herinandro teo. Napetraky ny ray aman-dreniny tao amin’ny renibeny io zaza io. Nanararaotra anefa ilay lehilahy rehefa tsy teo tampoka koa io reniben’ilay ankizivavy io. Voasambotra ny nahavanon-doza ny 22 oktobra teo ka […]