Mois : novembre 2023

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny […]

Hira, fanentanana… : mpanakanto feno i Sylange kilalaky

Raharimalala Laurence Sylvie, no tena anaran’ny tovovavy. «Sylange kilalaky», kosa eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Izy no vehivavy anisany nisantatra ny fiangaliana ny fihirana sy ny fandihizana ny kilalaky, mampiavaka ny Faritr’i Menabe, izay niaviany. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy ny fanentanana anatina fampisehoana an-tsehatra ihany koa izy. Ankoatra ny […]

Balade Mentale: hitaona ny olona hamantatra ny tenany no tanjona

Miavaka kely ny ranty atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpitsidika azy ireo, manomboka anio. “Balade Mentale”, fampirantiana mitondra ny mpitsidika hamantatra ny tenany, amin’ny alalan’ny haikanto maro samihafa. Misokatra manomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade Mentale” an-dRalam­boson Arilala Ophélia, mpahay kanto, […]

Asa famoronana miaro ny tontolo iainana : nahazoana landy sy akora vaovao indray ireo boatina fanafody

Miroborobo sy mi­ha mahazo va­hana eto Mada­gasikara ny fanodinana ireo fako isan-karazany. Vokatry ny fahatsapana ny fiparitahan’izany eny amin’ny toerana maro samihafa eto amin’ny No­sy, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny manimba ny tontolo iainana maneran-tany betsaka indrindra ny akora plastika. Ma­haritra aman-taona maro vao potika sy levona tanteraka izany, raha […]