Toy ny fanaony isan-taona, notanterahina ny sabotsy 25 novambra lasa teo, teny amin’ ny kianja Imamba, ny Andron’ ny mpiara-miombona antoka amin’ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Nambaran’Andrianarisoa Avotra Tokiniana, filohan’ny ekipa, fa tanjona manaraka ny fisokafana amin’ny taranja hafa eo amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora. Hanombohana izany, ny tenisy, […]
Mois : novembre 2023
«Orange Challenge U-17»: Tompondaka ny AS Jet Mada
Nifarana omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Norombahan’ny klioban’ny AS Jet Mada ny amboaran’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo ny AS Etoile Filante, tamin’ny fandakana “tirs au but”, 4 no ho 3 izy ireo. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: tsy afa-bela tamin’ny TAM ny Mang’Arts
Manohy ny dia amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby, ny TAM Anosibe rehefa nandresy ny Mang’Arts Manjakaray. Tafita ihany koa ny TFA Anatihazo sy ny USA Ankadifotsy. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao sakana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Anisan’ny lalao nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ny […]
Sombim-baovao
Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fitiliana ireo Malagasy mpilalao miisa 60, izay voafantina manerana ny faritra. Miisa efatra ireo vahiny teknisianina ho avy eto an-tanindrazana, anisan’izany ny klioba Frantsay, Losc Lille. Marihina fa natao hampivoarana ny baolina kitra eto amintsika izany. Nisaraka ady sahala 1 no ho […]
FIBA 3X3 Africa Cup : fantatra ireo mandrafitra ny ekipa malagasy
Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Nivoaka ny sabotsy teo ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, lahy sy vavy. Fiovana misongadina ny fahitana an-dRandriatahiana Sarobidy, mpilalaon’ny GNBC, ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana, misolo an’i Chine i Sarobidy. […]




