Mois : novembre 2023

Ambolokandrina : mpanendaka roa lahy voasambotra

Tratran’ny mpitandro filaminana avy amin’ny CSP2, tetsy Ambolokandrina, ny jiolahy roa, ny zoma 24 novambra teo. Polisy teny an-kianja no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa an’ireo mpanendaka roa lahy ireo. Efa nanambana olon-tsotra sy nanery ity farany hamoaka ny zava-tsarobidy teny aminy izy mirahalahy. Raikitra ny fisamborana ka niezaka nandositra ireo […]

Hetsika maneran-tany : 16 andro hiadiana amin’ny herisetra amin’ny vehivavy

Nankalazaina ny sabotsy teo ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Nanombohan’ ny 16 andro natokana hanaovana hetsika mahakasika izany. Izay haharitra hatramin’ ny 10 desambra izao. Anisan’ ny mankalaza izany i Mada­gasikara. “Resentsika miaraka ny herisetra” no lohahevitra mandritra izany. Mba ho firo­tsahana sy fitondrana feo ma­nohitra ny […]

Olana amin’ny fifidianana : ny HCC no mandray ny fitarainana…

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa anjaran’izy ireo ny ma­moaka ny voka-pifidianana vonjimaika, araka ny voalazan’ny lalàna. Anjaran’ny HCC samirery kosa ny fanambarana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tahaka izany koa ny fikirakirana ireo fitarainana sy ny fifanolanana samihafa. Rafitra mahefa tendren’ny lalàna hany afaka misahana izany ny HCC”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy manaiky korontana intsony ny vahoaka”

Naneho ny heviny avy hatrany, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika ny sabotsy teo, ny kandidà Andry Rajoelina. Nambarany fa manam-pahendrena ny vahoaka. “Ankehitriny, tsapa fa manana fahendrena ny vahoaka malagasy, indrindra tsy manaiky ko­rontana na korontanina intsony”, hoy ny kandidà lah. 3, Andry Rajoelina, taorian’ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana […]