Mois : novembre 2023

FANTINA sy FINTINA

Nahita tsy fanarahan-dalàna maro ny Transparency International – Initiative Madagascar, manoloana ny voka-pifidianana vonjimaika. Nambaran’izy ireo fa natao an-terisetra ny fifidianana ary hitan’ny mason’ny rehetra izany ka mila mandray andraikitra. Naneho ny heviny ny Frankofonia (OIF) taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Tsy tomombana ny nialoha ny fifidianana. “Tsy nisy ny […]

CEMAC : « Fakan-tahaka ny fifidianana teto Madagasikara »

Tontosa omaly alahady, teny amin’ny Ibis Hotel Ankorondrano, ny fanambarana ny tatitra ofisialy avy amin’ny Communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (CEMAC) momba ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara. Fifidia­nana nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, teo amin’ny fikarakarana sy fizotra ary ny famoahana no nisy teto Madagasikara, na dia teo aza […]

Mila lamina

Hatramin’izay, itaizan’ny sasany saina mandrakariva ny hoe fisian’ny krizy politika aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tsy mbola tafavoaka ny ala amin’izao? Tsy fahendrena ny mibitaka ambony ihany. Ny mahery tsy maody tsy ela velona. Tsy ilaozan’izay tsy maty voalavo an-kibo? Na mila lamina… Na inona na inona […]

Voka-pifidianana vonjimaika : voafidy amin’ny vato 58,95% ny kandidà Andry Rajoelina

Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika, ny sabotsy teo, ny eo anivon’ny Ceni. Nibata ny fandresena tamin’izany ny kandidà Andry Rajoelina. Mahatratra 2 856 090 ny vato azon’ny kandidà lah. 3, Andry Rajoe­lina, manome ny taha 58,95%, araka ny voka-pifidianana filohan’ny Repoblika navoakan’ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly. Manaraka, ny kandidà lah. 13, […]

TSELATRA

Tovolahy iray naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny namany azy teny Volosarika Ambanidia, omaly. Resaka hasarotam-piaro no nitarika ny ady satria efa nandrasan’ireo namany teo amin’ny elakelatrano mihazo ny tanànany ka niharan’ny vono sy daroka izy. Voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana izy noho ny ratra teo amin’ny lohany. Naratra voahitsaky ny […]