Nifarana hatreo ny lalan’ny Malagasy, ekipa solontena amin’ny fifaninanana “Road to BAL 2024”, taranja basikety. Nolavoin’ny Dynamo Burundi, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo izy ireo. Isa iray monja no namoizan’ny Malagasy ny nofinofiny hiatrika ny fifaninanana “Basket-ball Africa League”, taona 2024. Tamin’ isa 79 no ho 78 no nandresen’ny ekipan’ny Dynamo […]
Mois : novembre 2023
TARATRY ny KANTO
“Onjam-po amperin’antsa”. Seho hafakely satria mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo no nampiaina an-tsehatra ireo sanganasan’ny mpanoratra maro, tetsy amin’ny CGM /GZ Analakely, ny sabotsy lasa teo. Fotoana nisehoan’ireo olona ambadiky ny feo, i Nanja Razafindrakoto (Aceem Radio), Ony Mihajanirina (Rdb), Mi Ramanitra (Free Fm), Meva (Radio Fahazavana) ary Miah Rabeson (Iarivo […]
Aléas Circus: nitolagaga ny mpijery nandritra ny seho
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampisehoana voalohany, natolotry ny Aléas Circus, ho an’ny vahoakan’ Antananarivo. Karazana tanisa sy tsingeringerina (acrobatie) no tena nampiavaka ny seho. Manan-talenta ary tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany tokoa raha ireto tarika ireto. Anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny fanazarana ny mpiangaly ity […]
MFF, andiany faha-18 : mihatanora ny mpankafy
Am-periny tanteraka ny “Madagascourt Film Festival” (MFF), andiany faha-18 amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ireo fifaninanana isan-tsokajiny ary efa migadona eto Antananarivo daholo ihany koa ireo vahiny sy tomponandraikitra maro mandray anjara sy hiatrika izany. Ankoatra ny fifaninanana anefa, nampiforona fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa ny hetsika noho ny fisian’ny fahasamihafan’ny […]
«Ihafiako Tour» : hisedra sehatra lehibe i Njara Marcel
Nandalo ny dingana rehetra… Fotoana kosa izao ho an’ny fampisehoana lehibe, raha ho an’i Njara Marcel. Voarain’ny mpankafy tsara rahateo ny vokatra. «Ihafiako». Anisan’ireo hira be mpankafy amin’izao fotoana ity sanganasan’i Njara Marcel ity. Fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny faramparan’ny volana oktobra teo, efa milahatra anatin’ireo fandaharana misafidy izay hira […]




