Mois : novembre 2023

VAOVAO TAMBATRA

Nigadona any Nosy Be, omaly, ny sambo vaventy Aida, mpitondra mpizahatany miisa 2 200. Sambo fahefatra tonga any an-toerana izy ity, anisan’ ny mampandroso ny fizahantany eto amintsika. Sady mampiroborobo ny toekarena any Nosy Be, toy ny varotra sy ny tolotra samihafa ny fahatongavany. Natao tany Merimandroso, distrika Ambo­hi­dratrimo, omaly, […]

Tahan’ny harinkarena faobe : vinavinaina hiakatra 4,5% amin’ny taona 2024

Andrasana hiakatra 4,5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny taona ho avy izao, araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha-023/2023, momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2024. Voatonona ao anatin’izany ny fitomboan’ny ny harinkarena faobe ho an’ ireo sokajy seha-pihariana rehetra. Andrasana hiakatra 4,4% ny sokajy voalohany, […]

Jono : mikatona ny fanjonoana makamba

Hikatona manomboka ny 1 desambra misasakalina hatramin’ny 29 febroary 2024, misasakalina manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny fanjonoana makamba. Mila manao fanambarana ananany ny datin’ny 30 novambra izao, farafahatarany ny 8 desambra eny amin’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy indrindra ireo orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra, ny toeram-pivarotana […]

«Hazavao ny elakelatrano»: fametrahana jiro manazava manerana ny distrika 119

Tsy mitsaha-miitatra ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Mila manaraka an’izay fironana izay koa ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Anisan’ny ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Jirama laharam-pahamehana ny fametrahana jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Hanatanterahina izany ny tetikasa «Hazavao […]

Rija Rajaonah : « Mila hajaina ny safidim-bahoaka »

“Mila hajaina ny safidim-bahoaka”, hoy i Rija Rajaonah, anisan’ny mpitarika ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRK) ao Avaradrano, omaly. Manoloana ny fivoahan’ny voka-pifidianana anio, tsy ilaina intsony ny fanoherana mifototra amin’ny fitadiavan-tseza. “Ny hanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fari-piainan’ny Malagasy mpiara-belona no imasoana izao”, hoy izy. Raha ny […]