Mois : novembre 2023

Fandraharahana letisia: tsy miova ny hetra aloa eny amin’ ny “guichet unique”

Voafaritra avokoa ireo hetra aloa amin’ny fikirakirana ny atontan-taratasy amin’ny fandraharahana ny letisia ao amin’ny faritra Atsinanana. Tsy niova ny hetra aloa eny amin’ny “guichet unique”. Mandoa hetra tambatra, 130 000Ar ireo fiara latsaky ny 1t hitantitra ny vokatra. Mano­didina ny 160 000Ar izany ho an’ireo fiara manomboka ny 1, […]

Madagasikara-Frantsa: fatiantoka ny fiara-miasa ny taona 2022

Firenena mpiara-miasa akaiky an’i Madagasikara i Frantsa. Nahitana fatiantoka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta tato anatin’ny fotoana fohy, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola frantsay. Firenena faha-77 mpanjifa ny vokatra frantsay i Madagasikara ary faha-70 mpamatsy an’i Frantsa, hoy ny loharanom-baovao iray. Mpanjifa faharoa ny vokatra malagasy kosa […]

Fihariana: mahavelona ny fiompiana tantely

Mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny fihariana tantely noho izy mamokatra mandavan-taona. Mampidi-bola ny asa saingy mitaky fepetra manokana. Fihariana madinika anisan’ny mamelona fianakaviana maro ny fiompiana tantely. Mampidi-bola izy ary mamokatra mandavan-taona. “Ahazoana tantely hatrany amin’ny 20 l isan-taona ny tohotra tantely iray”, hoy ny fanazavan’i Tina, mpiompy tantely iray […]

VAOVAO TAMBATRA

Misanda 4 797 Ar ny 1 euro, raha 4 470 Ar ny 1 dolara, omaly 20 novambra. Niakatra kely ny lanjan’ny euro satria 4 713 Ar ny sandany ny 30 okrobra teo. Nidina kely kosa ny dolara, satria nahatratra 4 503 Ar tamin’ny 20 oktobra lasa teo. Manodidina ny 3 […]

Televiziona StarTimes: fandaharana vahiny nadika teny malagasy

Antomotra ny vanim-potoan’ny fetin’ny faran’ny taona. Manome tolotra vaovao ny mpanjifany ny StarTimes Madagasikara. Hisy ny tombony manokana, karazana horonantsary samihafa, nanomboka ny 20 novambra teo, hatramin’ny 24 janoary 2024. Hi­sitraka ny tolotra «Smart/ Super», mandritra ny 30 andro ny mpanjifa mamandrika 30 000 Ar. Hahazo fanampiny (bonus), mandritra ny […]