Mois : novembre 2023

INDRAY MIJERY

Hanao fivoriana ny mpikamban’ny sendikàn’ ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sy ireo mpikaroka rehetra eto Antananarivo, eny amin’ny onivesite Ankatso, anio. Lahadinika ny fanapahan’ny fanjakana ny karaman’ireo mpitarika ny hetsika sendikàly. Efa nanapa-kevitra fa hamarana ny taom-pianarana saingy tsy mbola namaritra tetiandro hanombohana izy ireo. 47 ny onjam-peo miara-miasa amin’ny Studio […]

Maloto ankalamanjana : olona 419 tapitrisa tsy manana gabone

Raha ny vinan’ny USAID Madagasikara dia olona miisa 675 000 no hisitraka toeram-pivoahana fototra amin’ny taona 2027. Nisongadina izany nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny toeram-pivoahana ny alahady teo. Amin’izao fotoana, mbola mahatratra 419 tapitrisa ny olona manao maloto ankalamanjana. Olona maherin’ny 3,5 lavitrisa manerana an’izao tontolo izao […]

Zon’ny zaza : tsy manana politika mazava i Madagasikara

34 taona ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny zaza ankehitriny. Nankatoa sy nanao sonia izany i Madagasikara ny taona 1991. Mbola mampametra-panontaniana ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny ankizy (PFSCE) ny finiavan’ny fanjakana hametraka ho laharam-pahamehana ny ankizy amin’ireo fandaharanasan’ny fanjakana. Tsy mbola manana politika fiarovana ny zaza rahateo isika hatramin’izao. […]

Fikarakarana lavanila: miasa adiny 10 isan-kerinandro ny ankizy

Eto Madagasikara, any amin’ny faritra Sava, no manafatra lavanila ampiasaina amin’ny fanodinany sakafo ny orinasa iraisam-pirenena lehibe iray. Enin-taona no niara-niasa taminy ny orinasa “People power inclusion”, manana sampana aty amin’ny ranomasina Indianina ka i Marie Christina Kolo no talem-paritra. Mitaky fepetra maro ny fandraisana vokatra hafarana avy any ivelany […]

Taom-pambolena 2023-2024: nozaraina masomboly voafantina ny tantsaha

Antoka ho fampiroboroboana ny famokarana maharitra sy lovain-jafy ary dingana hanatrarana ny fanamby lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana ny tantsaha. Nomena zezika sy ambioka tsara kalitao sy voafantina ny tantsaha ao amin’ny kaominina Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly. Noentanina koa izy ireo hampiasa fitaovana mekanika moderina sy manaraka ny teknolojia, haingam-piasa […]