Nambaran’ny Vovonan’ireo foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa (Baam) fa tsy azo ekena ny faniratsirana an-dRazanamahasoa Christine. “Mbola feno sy tanteraka ny maha renin’ny firenena azy… Aoka koa tsy hokitihina ny mpikambana Baam”, hoy izy ireo . Naneho fahavononana ny hanohy ny tolona ireo kandidà 10, araka ny […]
Mois : novembre 2023
FIVONDRONAmben’ny eveka : hihaona amin’ny papa Fransoa any Vatican
Nambaran’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny biraon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ity herinandro ity. Efa fanao isan-taona ny fihaonana tahaka izao, ankoatra ny fihaonan’ny eveka rehetra amin’ny fiketrahana Masina, isaky ny 5 taona, araka ny nambarany. ”Horesahana aminy ny momba ny fiainam-pirenena, indrindra […]
Mandry tsy lavo loha
Vita izay ny fifidianana ! Mangingina ny tanàna. Milamindamin-dratsy ny andavanandron’ny mponina eto an-drenivohitra. Mitohy ny fiainana andavanandro na misy aza ny tso-drivotra hafahafa, mitsoka any ambadimbadika any. Rivotra politika, izay iniana voizina mba ikorontanana. Tsy hay mazava ny ipoirany fa izy efa mahoraka etsy sy eroa no manaitra. Ny […]
Voka-pifidianana : Anjakan’ny kandidà Rajoelina ny faritany enina
Navoakan’ny Ceni, omaly, ny fironana amin’ny voka-pifidianana amin’ny faritany enina. Mbola mitarika ny kandidà Rajoelina raha ifandimbiasan’ny kandidà Ravalomanana Marc sy Randrianasoloniaiko Siteny kosa ny laharana faharoa. Nahazo ny salanisa 62% ny kandidà laharana fahatelo eto amin’ny faritanin’Antananarivo raha ny voka-pifidianana nivoaka omaly hariva. Eo amin’ny laharana faharoa, nahazo ny 19% […]
Fipoahana herinaratra: ravan’ny afo tanteraka ny « Espace Dera », eny Tsiadana
Nivadika lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ny “Espace Dera” eny Tsiadana Ampasanimalo, omaly atoandro. Niparitaka tamin’ny orinasa hafa ny afo. Trano fandrasain-danonana malaza sady fisakafoana niampy orinasa roa hafa may, omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy 28 minitra. “Niainga tao amin’ny efitra ambony rihana, espace Dera, ny afo”, hoy ny mpiasa […]




