Mois : novembre 2023

Profesora Jonah Ratsimbazafy : « Nampitomboiko avo roa heny ny ezaka noho ny kilemako »

Mpampianatra mpikaroka, ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, manampahaizana ambony mahakasika ny varika. Nizara ny fahombiazany izy. Dinidinika. Gazety Taratra (*) : Azonao zaraina ve ny tena fahombiazanao ? Pr. Ratsimbazafy Jonah (-) : Nanoratra boky amin’ny teny frantsay aho, mitondra ny lohateny hoe : «C’est dans l’obscurité que les étoiles scintillent», adika hoe : «Mamiratra ao anatin’ny haizina […]

TARATRY ny KANTO

« Onjam-po amperin’asa ». Antsan-tonononkalo Faribolana Sandratra hataon’ireo mpanentana sy mpamokatra fandaharana ao amin’ny radio. Seho hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Hifarimbona amin’izany i Mi Ramanitra, Nanja R, Griffine Bakoliniaina, Ony Miha­ja­nirina, Meva, ary i Miah Rabeson. Mitohy hatrany ny dian’ny Tarika Jeneraly. Etsy amin’ny Piment café Behoririka indray no […]

“Samy mbola hafa” : ho tafaraka indray ry ‘Zay sy i Tovo J’Hay

“Mbola hafa ihany, hoy aho ilay hoe tianao…”, hoy ny hi­ran’ny tarika ‘Zay. “Mbola hafa ianao, tsy afaka an-doha”, hoy kosa ny setriny amin’ny hiran’i Tovo J’Hay. “Samy mbola hafa” no anarana nosafidiana hampisalorana ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto an-tsehatra. Seho manokana izay hotontosaina ny 3 desambra ho avy izao, eny […]

« Lamba forever »: Mbola hitohy hatramin’ny zoma ny hetsika

Ny momba ny lamba amin’ny antsipirihany no aseho eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Anisan’izany ny fampirantiana haikanto vita amin’ny lamba, sary sy valandresaka momba ny lamba, atrikasa sy fifampizarana. Hitohy hatramin’ny 25 no­vambra 2023, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka, ny fampirantiana « Lamba Forever”, iarahana mpahay kanto miisa 21. Ankoatra izany, misy koa ny valandresaka arahina ady […]

Fikajiana ny tontolo iainana : 40 taonina eo ny fako elektronika voahodina eto Antananarivo

Mihamitombo hatrany ny tetikasa sy ny orinasa misehatra amin’ny fanodinana ireo karazana fako avy amin’ny elektronika. Hamehezana ny fiparitahan’izy ireny sy hiarovana ny tontolo iainana ny anton’izany. Mahatratra 53,6 tapitrisa taonina isan-taona ny fako elektronika very sy miparitaka maneran-tany, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation des Nations Unies (ONU) tamin’ny taona […]