Mois : décembre 2023

Mila … lamina

  Miaina anatin’ny vanim-potoanan’ny fety ny mponin’Antananarivo. Samy miomanomana na ny manan-katao na ny sahirana. Ny mpanambola efa milahatra any amin’ny mpanjaitra. Efa hilaharana ny mpanao taovolo sy ny mpanamboatra tarehy. Manginy fotsiny ny fandaniam-bola amin’ny fidirana trano fikotranana mba manefinefy bika. Etsy ankilan’izany, ireo miady amin’ny fiainana. Tsy misy […]

Fiaraha-miasa : maro ny tetikasa hahazoana famatsiam-bola

Nisesy ny fandraisan’ny filoha Rajoelina Andry ireo delegasiona, nivahiny teto amintsika. Voaresaka tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo tetikasa fampandrosoana. Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny ranomasina, i Hervé Ber­ville, taorian’ny nanatrehany ny fianianana tetsy Maha­masina. Nanolotra ny taratasy avy amin’ny filoha frantsay ho fiarahabana ny […]

Voaroba ny mpandeha : Taksiborosy roa notafihin’ny jiolahy

Lasan’ireo jiolahy avokoa ny entan’ireo mpandeha rehetra nandeha taksiborosy vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Ambondromamy, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Taksiborosy roa ireto notafihan’ny jiolahy ireto, 10 km mialoha ny hidirana ny tanànan’Ambondromamy no nisehoan’izany. Nihorohoro tanteraka ireo mpandeha re­hetra satria niraradraraka ny torabaton’ireo olon-dratsy. Tampoka ity fanafihana […]

TSELATRA

Olona 10 naratra, raha roa miady amin’ny fahafatesana. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ihazolava RN 7, omaly maraina. Taksiborosy iray no nifandona tamina fiara R. Kangoo iray. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary sady nandefa ireo naratra […]

Mahitsy-Ambohidratrimo : Ifandroritana ny vaovao nahafatesana jiolahy

Mifamahofaho ny vaovao nahafatesana lehilahy iray teny Mahitsy, tamin’ny alakamisy alina. Ny zandary milaza fa jiolahy. Ny fianakaviany manambara fa tsy olon-dratsy. Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy iray voalaza fa dahalo tetsy Mahitsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 15 desambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, mo­dy […]