Taona nitarafana ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Madagasikara, ny taona 2019. Ankehitriny, “azo lazaina ho tratra ny tanjona. Tsy mifanalavitra ny tamin’ny taona 2019 isika izao”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randrimandranto Joel. Ho tsara lavitra ny vokatra andrasana amin’ny taona ho avy ary hihoatra ny tamin’ny taona 2019 izany, […]
Mois : décembre 2023
Vanim-potoanan’ny fety: tafakatra 20 000ar ny kilaon’ny hena
Vanim-potoana anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana isan-karazany ny vaninandro fety. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby. Andro vitsy mialoha ny fetin’ny Krismasy isika izao, miakatra avokoa ny vidin-tsakafo andavanandro. Ankehitriny tafakatra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby, 19 000Ar kosa ny henan’ondry eny an-tsena, raha toa ka manodidina ny 18 […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN 31, mampitohy an’Ankazobetsiahy sy Bealanana, faritra Sofia, mirefy 101,6 km. Hitarina sady ho rakofana godirao ity lalana ity. Miisa 28 ny tetezana, ka harenina ny 6 amin’ireo. Hisy koa ny toerana fotodrafitrasa fandanjana fiarabe hatsangana. Miisa 25 000 ny zana-trondro tilapia […]
Miakatra tsikelikely: mahatratra 3 500 Ar ny kilaon’ny vary gasy
Mitohy ny fiakaran’ny vidim-bary. Nahatratra 1 000 Ar ny kapoakan’ny vary gasy mena eny amin’ny mpaninjara, nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Izany hoe, 3 500 Ar ny kilao, nahitana fitomboany 100 Ar isaky ny kilao, satria mbola 3 400 Ar tamin’ny fiandohan’ny volana desambra. Mahatratra 3 400 Ar hatramin’ny 3 […]
Banky Iraisam-pirenena: mahatratra 443,5 miliara dolara ny trosan’ny tany mahantra
Manambara ny Banky iraisam-pirenena fa tafakatra ambony be ny tahan’ny zanabola tato anatin’ny 40 taona farany. Nahatratra 443,5 miliara dolara ny vola navoakan’ny firenena andalam-pandrosoana nandoavany ny trosany tamin’ny taona 2022. Nitombo 5% miohatra ny tamin’ny taona 2021 ny trosa naloan’ny firenena mahantra, ny taona 2022. Mitotaly 88,9 miliara dolara […]




