Tsy voafetran’ny taona ny fianarana sy ny fifehezana zavatra iray. Noporofoin’ity zokiolona ity fa azo atao ny mianatra hatrany raha mbola ao ny fahavononana. Faly izy fa nitombo ny mari-pahaizana ananany satria azony ny BEPC. Bakalorea sokajy L indray no tanjona manaraka amin’ity taona ity. Tsy hijanona izy raha tsy tafavoaka mpisolovava na vadintany.
Afaka BEPC tamin’ity fotoam-panadinana 2023 ity Razanamampionona Alexandre, mpiadina zokiny indrindra teto Antananarivo niatrika ny fanadinana. Efa nanala ihany izy teo aloha fa izao vao tafita. Impito nanala CEPE ihany koa izy teto Antananarivo sy tany Toamasina ka afaka soa aman-tsara hatrany. Ataony anaty “cadre” ary apetrany eny amin’ny rindrina ao an-trano avokoa ireo diplaoma CEPE rehetra azo ireo, araka ny nambarany. Nanao pao-droa izy izany tamin’ny CEPE sy BEPC 2023 ka tena faly. Tanjona ny hanala bakalorea sokajy L amin’ny taona 2024 ary efa manangona ny boky sy ny kahie misy ny fandaharam-pianarana ho an’ny kilasy famaranana avy any amin’ny namana sy ny fianakaviana izy amin’izao fotoana izao. Kilasy 9ème ny tenany no nanapa-kevitra fa hijanona hianatra ary niezaka nampia-tena tamin’ny boky sy antontan-kevitra niaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Tany Toamasina, nandritra ny fialantsasatra, rehefa vita ny fanadinana BEPC no nahitany tamin’ny pejin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa nahazo ny diplaoma nokatsahiny izy.
Rehefa vita ny bakalorea, hanaraka fampianarana ampitain-davitra izy amin’ny lalam-piofanana lalàna satria maniry ny ho lasa mpisolovava na vadintany. “Tsy hijanona hianatra mihitsy aho raha mbola azoko atao satria ohatra izay no nataon’ny raiko fony fahavelony”, araka ny voalazany.
Mahay mikabary koa…
Mbola tsy manambady izy ary manotra sy mikabary no fivelomany. Nivoaka tamin’ny ivontoerana fianarana kabary ny taona 2022 izy. Tia manao fanatanjahantena, indrindra ny hazakazaka izy hitaizany ny vatany sy ny sainy. « Rehefa nahazo taona aho vao nifoha ny hakingan-tsaiko ka izay vao vonona hianatra ary tsy voafetran’ny taona izany », hoy izy namarana ny resany.
Teny amin’ny lycée Ambohimanarina izy no niatrika ny BEPC tamin’ity taona ity ary natoky tena fa ho azony ny diplaoma. Nanomboka ny kilasy 8ème ka hatramin’ny famaranana, nampiana-tena hatrany izy fa tsy nanaraka fanampim-pampianarana toy ny mahazatra ny rehetra tsy mandia sekoly intsony.
Vonjy A.




