Mois : décembre 2023

Fanamafisana ny fiofanana : hajoro ny akademian’ny ladoany sy ny sekolin’ny Etamazaoro

Natao sonia omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny ladoany malagasy sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Hatsangana ny toeram-piofanana Akademian’ny ladoany sy ny Sekolin’ny Etamazaoron’ny Tafika. Hitondra fiovana lehibe ny tontolon’ny fanofanana amin’ny haban-tseranana sy ny Tafika. Nilaza ny tale jeneralin’ny ladoany, Lainkana Zafivano­na, fa any Toamasina, izay tany nampiasain’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena […]

Fiompiana : azo sorohina ny aretina cysticercose

Nifarana omaly, ny tetikasa nahafahana nijery sy nanara-maso ny aretina cysticercose na voavary sy ny kankana (ténia) mpahazo ny biby. Mifindra amin’ny olombelona izany ka miteraka aretina ho azy, hany ka mahatonga vesatra eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fiompiana eto Madagasikara. Ankehitriny, fantatra ny paikady hisorohana ity areti-mandoza ity, taorian’ny fikarohana […]

Axian-Telma : nohavaozina ny EPP Garbit Antsirabe

Notokanana ny 8 desambra teo, ny fanavaozana ny sekoly EPP ao amin’ny Araben’ny fahaleovantena Garbit, Antsirabe. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Vondrona orinasa Axian sy ny Telma. Nahafahana nanao azy ny fandaharanasa ho an’ny orinasa Sekoly Telma, ny M’Hetsika MVola ary ny Madio Toa, novolavolain’ny Fondation Axian, vatsian’ny Telma ara-bola. […]

Fifantenana ireo ho mpiara-miasa : miantso ny filoha Rajoelina ho mailo ny RPSD

Nanao fanambarana ny antoko RPSD, tarihin’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain. Niantso ny filoha Rajoelina Andry mba ho malina amin’ny fanendrena ny mpiara-miasa izy. “Aoka mba hojerena tsara ireo ho mpiara-miasa amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hiainga amin’ny tolotra omen’ireo depiote na loholona na koa ireo […]

INDRAY MIJERY

Fadio ny mampiasa akora simba sy efa lany daty rehefa mikarakara sakafo. Arovy amin’ny vovoka sy hafanana ny sakafo mora simba toy ny hazandrano sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny maionezy. Mampiasa vitrine madio sy misarona tsara. Raisina amin’ ny sotro rovitra na pince ny sakafo fa […]