Mois : décembre 2023

Fitantana ny loza: ilaina ny fitaovana ara-kajy mirindra

Notanterahina tany To­liara, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa famolavolana ny fitaovana ara-kajy mirindra hanamorana ny fandrindrana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Mada­gasikara. Nandray anjara ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Nodinihina ny lohahevitra momba ny fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana. Efa nisy ny zava-bita […]

Fandaharanasa Vikina : tetikasa vaovao 20 hotohanana

20 isan-taona ny tetikasa voafantina avy amin’ny tanora miainga amin’ny olana tsapany eny anivon’ny fiarahamonina ka navadika ho asa maharitra mamaha ilay olana, nomena ny anarana Vikina. Vahaolana amin’ny lohahevitra efatra no afaka mifaninana ka mbola mandalo sivana ny tetikasa voaray rehetra. Fitantanana mahomby, fiovan’ny toetr’andro, famoronana asa mendrika, tontolo […]

Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo

Mateti-pitranga ny fanapozinana ara-tsakafo rehefa fety. Mitondra fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manazava ny dokotera Rakotomavo Falihery. Ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona isika. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanapoizinana ara-tsakafo ny dokotera Rakotomavo Fali­hery, anesthésiste, réanimateur ao amin’ny sampana vonjy voina, CHUJRB. Aretina avy amin’ny sakafo na rano nidiran’ny […]

TARATRY ny KANTO

“Ndao hifety” – Tyfu Amboditsiry. “Men’s Night Show”, hisongadinan’ireo lehilahy mpanatalenta mazava loatra, ity hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Hiray tsikombakomba mba hampiavaka izany i Fidy Dibl, Rado Manantsoa ary i Poon eo amin’ny feo, hampian-dry Fy Rajaofetra (vata maroafi­tsoka), Houzefa (gitara beso) ary i Bolo Rakoto […]

« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana

Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra […]