Nilaza ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, fa tao anatin’ny 10 taona dia nitombo 240% ny trangana VIH teto Madagasikara. Nitombo 423% ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Mila mitambatra na ny mpitondra na ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tolona iombonana ho famongorana ny aretina VIH/Sida, hoy hatrany ny masoivohon’i Etazonia. Ezaka ny hanatrarana […]
Mois : décembre 2023
Seces Fianarantsoa: hamarana ny taom-pianarana
Taorian’ny fivoriana nataon’ny mpampianatra mpikaroka (anatin’ny Seces) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro lasa teo; tapaka fa hiverina hamarana ny taom-pianarana 2022-2023 izy ireo. Nanamarika sahady kosa anefa ny mpampianatra mpikaroka fa hampihatra ny tapaka nandritra ny Kongresy nasionaly nataony ny volana desambra 2021, ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023 […]
Olona manana olana ara-pahitana : nisy ny taratasim-pifidianana «braille» natonta
Nisy dingana vita tamin’ity taona ity ho an’ny olona manana fahasembanana. Anisan’izany ny fandraisana anjara tamin’ny zotram-pifidianana sy ny fanehoan-kevitra eny anivon’ny fiarahamonina. Zavatra iray lehibe nisongadina tamin’ity taona ity ny adisisika nataon’ny firaisamonim-pirenena ny amin’ ny tokony handraisan’ny olona manana fahasembanana anjara anatin’ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fiomanana rehetra izany […]
Famokarana: mpamboly 855 nisitraka masomboly
Mitohy hatrany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpamboly maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy no nisitraka masomboly entina hampiroboroboana ny seha-pihariany, ny herinandro teo. Tantsaha 165 avy ao amin’ny faritra Sofia no nomena masomboly vary an-drano milanja 1 980 kg sy zezika NPK […]
Mahajanga: misesisesy ny fahatongavan’ ny sambo lehibe
Andrasana hiverina ao amin’ny renivohitr’i Boeny, ny alatsinainy izao, ilay sambo lehibe Hebridean Sky, nitondra mpizahatany nandalo tao an-toerana afakomaly. Sambo lehibe fahefatra nigadona tao Mahajanga izy ity, izay nitondra mpandeha 100. Nitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra ny 85 amin’ireo mpandeha, nahitana teratany amerikanina sy anglisy. Taorian’io, nihazo an’i […]




