Goavana. Azo raisina amin’ny lafiny rehetra mihitsy izay, raha hiresaka ny seho tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 24 desambra teo. « Maman, j’ai raté l’enlèvement » andiany faharoa, nomanin’ny ekipan’ny Centre d’Evangélisation de Madagascar, fantatry ny maro amin’ny hoe Cevam. Ny « comédie musicale » efa fanao sy […]
Mois : décembre 2023
Fakafaka: nozarain’ny finoana samy manana ny azy
“Ny finoana tokana, ny fanehoana no samy manana ny azy”. Marina tokoa angamba izay, raha tarafina amin’ny zava-misy anatin’ny fiarahamonina tao anatin’ny taona maro izay. “Nozarazarain’ny finoana samy manana ny azy ny fianakaviana”, hoy ny lasa faheno matetika. Tsia, tsy ny finoana ka… Ny finoana tokana ihany : mino an’Andriamanitra, […]
« Jacques Rabemananjara, Œuvre poétique »: hisy ny velakevitra hiarahana amin’i Elie Ramanankavana
Mpahay kanto samihafa, saingy resy lahatry ny asa soratr’i Jacques Rabemananjara i Elie Ramanankavana ka hizara izany amin’ny alalan’ny tafatafa manodidina ny boky « Jacques Rabemananjara, Œuvre poétique ». Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny marainan’ny 6 janoary 2024, ny tafatafa sy resadresaka iarahana amin-dRamanankavana Elie, mahakasika ny boky “Jacques Rabemananjara, […]
Jeneraly Ramakavelo Désiré: hamafisina ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka
Olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ankehitriny ny tsy fisian’ny fifampiresahana sy ny tsy fifampitokisana. Anisan’ny manova izany ny firoboroboan’ny teknolojia. “Tsy ny ankizy no maditra fa ny ray aman-dreny no tsy mahay manabe”, hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana. Mitaraina mahakasika izany ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny […]
Fetin’ny Noely: niara-nifaly tamin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina
Tsy diso anjara tahaka ny isan-taona. Niara-nanamarika ny fetin’ny Noely teny amin’ireo ankizy tezain’ny Mompera Pedro, eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina dimy mianaka. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa hafaliana ho azy mianakavy ny fiaraha-mankalaza ny Noely eny an-toerana isan-taona. “Am-pitiavana anaty fihetseham-po no iarahana aminareo zanaky ny Akamasoa“, […]




