Anisan’ny orinasa matanjaka amin’ny fifandraisan-davitra aty Afrika ny Airtel Africa. Tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifany, ary hotohizany ny fanitarana ny tolotra niomerika. Miroborobo ny fifandraisan-davitra aty Afrika. Feno 150 000 000 ny mpanjifan’ny orinasa Airtel Africa ny 19 desambra 2023 teo. Araka ny fanambaran’ny foiben’ity orinasa ity, mihazakazaka ny fitomboan’ny mpanjifa, satria […]
Mois : décembre 2023
Kaominina Andoharanofotsy : nasondrotra 25 % ny karaman’ ny mpiasa
Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny tanànan’Andoharanofotsy, omaly, ny fiarahabana ny mpiasa rehetra eo anivon’ny kaominina Andoharanofotsy. Ho solon’ny fanomezana toy ny fanao isan-taona, nilaza ny ben’ny Tanàna eny an-toerana, Rakotoarimanana Henintsoa na i Maire Tôta fa hasondrotra 25 % ny karaman’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eo anivon’ny kaominina, manomboka ny volana […]
Oniversiten’Antananarivo : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex
Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fizaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa avy eo anivon’ny CUA. Hahafahan’ny mpiara-miasa mifety amin’izao ankatoky ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Nisaotra ny mpiara-miasa ny tenany noho ny ezaka vitan’izy ireo ho fampandrosoana ny tanàna. Momba ny […]
Minisiteran’ny Mponina: 600 ireo mpiasa notolorana fanomezana
Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy nahavita ny asa nifarimbonana nandritra ny taona ny minisitra Soafilira Princia, omaly. Nanomana fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa 600 ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny tenany. Vary 25 kg, menaka, gisa ary karazan-tsakafo iatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny […]




