Nahatafiditra vola 281 850 000 Ar tao anatin’ny ora telo ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanagiazana ny fanana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), tao Toamasina. Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna ny nanaovana lavanty ho an’ireo sahy lafo indrindra ireo fiara miisa 17. Miisa 3 avy ireo fiara […]
Mois : décembre 2023
Tsy ho kirizy mafy…
Injay izany fientanam-po, vao misaina kely fa higadona ny Noely na ny Krisimasy! Vanim-potoana kely mba hisentoana sy hakana aina amin’ny rotorotom-piainana. Andro iray izay hanehoan’ny mpianakavy ny fifankatiavana misy eo aminy. Hamoriana ny avy lavitra rehetra, indrindra ho an’ny manan-katao. Vanim-potoan’ny fifamelan-keloka, indrindra ho an’ireo manana fo madio. […]
Ceni : «Miankina amin’ny tetiandro ny lisi-pifidianana hampiasaina»
Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa hirosoana sy tanterahina hatrany izany. “Na misy fifidianana na tsia, tsy maintsy ataon’ny Ceni izay fanavaozana isan-taona izay. Miankina amin’ny tetiandro hanatanterahana azy ny fifidianana ho avy manaraka eo”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, […]
Fanafihana taksiborosy : notanana am-ponja ireo valo voasambotra
Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Manjakameva, Fokontany Ambaliha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 desambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana […]
TSELATRA
Roa lahy mpangalatra vy voasambotry ny zandary tetsy Andoharanofotsy, afakomaly. Nanao rotsak’ alina, nanararaotra ny fiavian’ny orana izy mirahalahy ireto. Nifanena tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nefa ka noraisim-potsiny. Tafaporitsaka ny iray raha toa ka voatazona ny namany. Roa lahy mpaka an-keriny maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ankilivalo, distrikan’i Mahabo, […]




