Lany teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny volana oktobra teo, ny fiantohana ny saran-dalana sy ny fanomanana ny fahatongavan’ireo mpianatra 20 mianadahy sangany nahazo vatsim-pianarana ho any Maroc. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Office de la formation professionnelle et de […]
Mois : décembre 2023
Anosy – Analakely: henjana ny fitohanana…
Efa nanomboka ny herinandro lasa teo ary mbola hitohy amin’ity herinandro mialoha ny Krismasy ity ny fitohanana lavareny manodidina an’Anosy, Behoririka sy Analakely. Lasa lalan-tokana sisa avy any Analakely midina ho any Behoririka fa feno olona sy mpivarotra ny arabe ka sahirana ny mpamily fiarakodia. Miezaka mandamina ihany ireo mpitandro […]
Dr Ratsitratrinihafa José : miatrika fety anaty fitandremana ireo olona diabetika
Mitondra torohevitra ho an’ireo diabetika amin’ny fomba fiaina miatrika fety ny dokotera Ratsitratrinihafa José, ao amin’ny Amadia. Miaina sy misakafo toy ny olona rehetra ny diabetika fa tsy tokony ho tapaka ny fanafody, hoy ny dokotera Ratsitratrinihafa José. Tohizana ny fanatanjahantena, lanjalanjaina ny sakafo ary avela haka aina ny vatana, […]
Fampiroboroboana ny fizahantany: miara-miasa ny Paositra malagasy sy ny Vanilla Pay international
Tsy afa-misaraka ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Manana tombony betsaka ireo mpandraharaha mampiasa ny niomerika, hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ka afaka mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanamorana ny fandoavam-bolan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany no nahatonga ny Paositra malagasy, amin’ny alalan’ny Paositra Money sy ny Vanilla Pay international (VPI) hiara-hiasa. Vita sonia omaly, tetsy Ambohidahy, […]
Taninketsa indostrialy- Ambatondrazaka: mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro
Manodina voatabia 1 500 kg ny milina ao Ambalabako Ambatondrazaka, izany hoe, mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro. Namoaka ny vokatra voalohany tamin’ny 15 okotobra lasa teo ny orinasa. Nanaovana fitiliana izany ary voamarina fa manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra ka azo ohanina tsara ny Kechup Lycoper. “Manana ambim-bava amin’ireo vokatra voaodina […]




