Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo […]
Mois : janvier 2024
Jobily faha-25 taona : miara-miasa ny sekoly Emit sy ny Airtel
Manomana ny faha-25 taona niorenany ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia (Emit) any Fianarantsoa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny orinasa Airtel Madagasikara. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly, ny mpampianatra, ny solontenan’ny mpianatra ary ny fikambanana samihafa any an-toerana, ny avy amin’ ny Airtel, notarihin’ny tale jeneraly […]
Taninketsa indostrialy: hapetraka isaky ny kaominina
Paikady vaovao indray no entin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Hapetraka isaky ny kaominina ny taninketsa indostrialy. Anatin’ny fanatanterahana izany ny minisitera amin’izao fotoana. Nahazo ny anjara taninketsany indostrialy Antsirabe an-tampon-tanàna sy Betafo. Nisitraka milina mpanodina paoma ho lasa vinaigre […]
Nandritra ny 54 taona : mitentina 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nataon’ny BEI
Mpiara-miasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy ny Banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola (BEI), amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa atao eto amin’ny firenena. Hatramin’ny taona 1970, nahatratra 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Manodidina ny 43 ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banque européenne d’investissement (BEI) teto Madagasikara, hatramin’ny taona 1970, […]
Harena an-kibon’ny tany: mihoatra ny 50 ny fandikan-dalana
Nilaza ny tale jeneralin’ny fadintseranana (DGD), Lahinkana Zafivanona, ny herinandro lasa teo, fa mihoatra ny 50 ny fandikan-dalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, tratran’ny sampandraharan’izy ireo, nandritra ny taona 2023. Nomarihiny fa tsy teny amin’ny seranan’ Ivato ihany no nahitana izany fa saika ireo seranam-piaramanidina manana zotra mankany ivelany. Anisan’izany […]




