Lalam-pirenena azo sokajiana ho mampifandray kaominina maro ao anatin’ny disitrikan’ Antanambao Manampontsy sy Vatomandry ny lalam-pirenena vonjimaika faha-20 “RNT” (Route nationale temporaire). Mirefy 58 kilometatra miala eo amin’ny lalam-pirenena faha-11 A, eo Ilaka Atsinanana ka hatrany Antanambao Manampontsy ity lalana ity. Lavitra sady ratsy ny lalana, raha ny zava-misy sy […]
Mois : janvier 2024
FANTINA sy FINTINA
“Ho amin’ny tsaratsara kokoa ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary tsy izahay no sakana amin’izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosikely. Anisan’ny handalo eny amin’izy ireo ny momba izany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Nitohy omaly, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny any Alzeria. Nihaona […]
Ravalomanana Marc : “Tsy maintsy ampiakarina ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy”
Nifampiarahaba tratry ny taona ny antoko Tim, ny faran’ ny herinandro teo, teny Faravohitra. Nanotrona ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny solontenan’ireo mpitarika ny antoko isam-paritra sy manerana ny renivohi-paritany eto Madagasikara. Niompana tamin’ny fiatrehana ny fifidianana ny lahateny nataon’ ny filoha teo aloha. Nambarany fa : “Zo sy adidy […]
Mpanentsin-keloka !
Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao. […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina : nandiso ny vaovao miely momba ny tetiandrom-pifidianana
Tsy marina ny filazana fa namoaka ny tetiandrom-pifidianana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Nanamafy izany izy, omaly, teny Tsimbazaza. Hentitra sy nahitsy! “Tsy mbola nisy tetiandro momba ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny Tanàna nivoaka hatreto. Mbola an-dalana ny famolavolan’ny governemanta izany”, hoy ny […]




