Mois : janvier 2024

Fanazavana ny arabe: nahazo jiro ny fokontany 9 ao Ambohidratrimo

Dimy taona tsy nisy jiro! Mazava ankehitriny ny arabe eny amin’ireo fokontany miisa 9 ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miampy ampola miisa 80 napetraka amin’ny andrinjiron’ny Jirama. Tan­te­raka izany, vokatry ny tohana nataon’ny fikambanana Za­nak’Ambohidratrimo Maro­va­tana (Zam), tarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny herinandro lasa […]

Vina 2035: Afaka mandray kaontenera 1 tapitrisa ny seranan’i Toamasina

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tanjona lehibe ny hahafahany mandray kaontenera 1 000 000 amin’ny taona 2035. Dinidinika niarahana tamin’ny tale jeneraliny (DG), Avellin Christian Eddy. Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ? Avellin Christian Eddy (-) : Nanomboka ny […]

TARATRY ny KANTO

Hitohy hatramin’ny 17 febroary 2024 ny fampirantiana sary hosodoko, eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika. Nifarana ny 26 janoary 2024 izany, raha ny drafitra napetraky ny mpikarakara. Mpahay kanto maro samihafa no miaraka mandranty ny haikanto eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo. Rajery Trio, any […]

Mbola hiatrika fandidiana…: mitohy ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Mikakely”

Niatrika fandidiana fanintelony, omaly, i Mikakely. Araka ny nampitain’ny fianakaviana, voatery nampidirana fantsona teo amin’ny tendany. Sarotra ny fitsaboana ary mbola lavitra izany, raha ny fampitam-baovao, hatrany. Fantatra fa mbola hisy ny fampidirana azy ao amin’ny efitrano fandidiana aorian’izao, na dia nizotra soamantsara aza ireo teo aloha. Araka izany, mitohy […]

Tetikasa “Kanto Manabe”: mpilatsaka an-tsitrapo miofana momba ny sary sokitra

Fampianarana ny fototra amin’ny fanaovana sary no ampitaina amin’ireo eny anivon’ny fiarahamonina mba hampivoarana sy hampivelaran’izy ireo ny talentany. Izany ihany koa no homena ireo mpanabe kanto izay hizara izany eny ifotony. Ao anatin’ny fiofanana tanteraka ny mpanabe ny kanto ao anatin’ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM) amin’izao fotoana izao, eny […]