Tafahoatra ny zava-miseho eto amin’ny firenena ! Ra latsaka etsy, ra latsaka eroa vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny vono olona. Mampiteny ny « moana » ny trangam-piarahamonina mitranga na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tena mijininika ara-bakiteny. Voaporofo fa zary tsy misy lanjany amin-dRamalagasy intsony ny aina. Mahatonga saina ny firongatry ny tifitra tsy […]
Mois : janvier 2024
Depiote Ratsimbazafy Alain : “Mampiahiahy ny fanendrena PDS tsy mpiasam-panjakana”
Nitondra ny heviny, manoloana ny fanapahan’ny HCC farany teo, ny avy amin’ny antoko Tim, tamin’ny alalan’ny depiote, Ratsimbazafy Alain. Manana tolokevitra hafa kosa anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. “Fanapahan’ny HCC ny hitohizan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna. Idealy ary azo ekena izany”, hoy ny depiote Ratsimbazafy Alain. Aleo manapa-kevitra toy izany amin’ny […]
Torimaso fotsy: mpamily taksiborosy maty tsy tra-drano
Nidona tamin’ny kamiao! Namoy ny ainy ny mpamily taksiborosy iray tra-doza tao Antsirabe, afakomaly misasakalina. Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa niharan-doza teo amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) tao Andranomanelatra- Antsirabe, ny alin’ ny alakamisy hifoha ny zoma 26 janoary. “Reraka ka azon’ ny torimaso io mpamily io”, hoy […]
TSELATRA
Noraisim-potsiny teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mahitsy sy Antohomadinika ny roa lahy mpangalatra akoho, afakomaly. Noloahan’izy ireo ny rindrina nisy akoho fakana nofo an-jatony. Nalainy avokoa ireo akoho ary novonoiny. Nikasa hitondra ny entana nafatratra tanaty gony hihazo ny Renivohitra ireto tontakely taorian’izay. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka […]
Matin’ny miaramila : valo lahy indray voatifitra
Mafy ny fifandonana teo amin’ny miaramila sy ny dahalo tao Ankazonambolena, fokontany Fotadalina, kaominina Ikalamavony, afakomaly. Dahalo valo indray maty voatifitra, basy roa azo teny amin’ireo malaso… Tafika avy ao amin’ny holafy fahatelo, brigade infanterie Ikalamavony, niaraka tamin’ny zandary no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana tao an-tanànan’Ankazonambolena, fokontany Fotadalina, kaominina […]




