Mois : janvier 2024

Moto – Mada 2024 : hanomboka rahampitso ny fifaninanana

Mikarakara fifaninanana voalohany ny federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM), amin’ity taona 2024 ity. Nahatratra 55 ireo mpandray anjara amin’izany. Hotanterahina eny Am­bohidava, ny alahady 28 janoary, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Moto Cross, taona 2024. Handray anjara amin’izany ry Randy sy Claudio ary i Mathias, tompondaka “élite 1” […]

INDRAY MIJERY

Hitoetra hatrany ny alondrano ateriky ny rivotra avy atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, Atsimo ary Atsimo Atsinanana. Ho mafy hatrany koa ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Nijery ifotony ny olana iainan’ny vahoaka eny […]

Ho fisorohana ny loza mialoha: nofanina ny mpamantatra ny toetry ny andro

Natao tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana mahakasika ny fanairana sy fampitandremana mialoha ny loza mety hitranga, hisorohana ny fahavoazana mihoa-pampana rehefa misy loza voajanahary, in­drindra ny rivodoza izay mpahazo antsika. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo masoivoho nasionaly sy isam-paritra mikirakira ny famantarana ny toetry ny andro. Hahomby ny sori-dalana omena […]

Asa amin’ny “Web”: hanofana maimaimpoana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika

Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora. Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny CGM Analakely ny seho an-tsehatra “Misy Mihaino?”. Fotoana ahenoana sy ahitana ary ilalaovana an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo. Ho hita mandritra izany ry Christophe Rabearimanana, Zo Maminirina, Nofy, Mampandri­niaina Manitra, Niravo, Sylvia Rabenatoandro, Hanja­ri­liva ary Tolotra Arinandriana. Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo Mpanabe kanto, ao anatin’ny Tetikasa “Kanto […]